Tantaran'ny Akademia Malagasy

...

Isolement et caractérisation partielle des nématodes phytopathogènes du gingembre (Zingiber officinale Roscoe) dans la Région d’Alaotra Mangoro, Madagascar.

HARISOA ROJOMITIA Sandie Olaf, ANDRIAMIARISOA Lovaniana Dinanirina,RAZAFINDRAKOTO Malalatiana, RAHETLAH Volatsara Baholy

389 Firenena mpamokatra ilo fototra tsara kalitao avy amin’ny sakamalaho (Zingiber officinale Roscoe), ka afaka mifaninana amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara. Na eo aza izany dia misedra olana ny mpamokatra avy amin’ny faritra Alaotra Mangoro nohon’ny fihenan’ny vokatra sy ny fahasimban’ny kalitaon’ny voly tao anatin’ny dimy taona nifanesy. Nisy fanadihadihana natao teny ifotony teo anivon’ireo mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny Faritra nampiana fakàna santionana tany sy voly avy amin’ny toeram-pambolena sakamalaho. Ny fisehon’ny aretina amin’ny alalan’ny fahalovana miafara amin’ny fahafatesana dia mitovy amin’ny fiheson’ny aretina ateraky ny kankana tsy hita maso. Ny valin’ny fitiliana ny loharanon’aretina dia naneho kankana tsy hita maso mpanimba ny voly toy ny: Helicotylenchus spp., Xiphinema spp., Tylenchus spp.ary Meloidogyne spp. Ny fahafahantarana ireo kankana tsy hita maso ireo dia dingana lehibe ao anatin’ny fitadiavana paikady ho fisorohana ny aretina.

Tenizaha: Alaotra mangoro, kankana tsy hita maso, fahalovana, fanondranana, lagaly,sakamalaho

20/03/2025


Evaluation de l’état actuel de la sécurité alimentaire dans le Grand Sud de Madagascar.

RABENANDRASANA Hus Alpha Jacquis, RASOARAHONA Felamboahangy Henintsoa, RAOLISOA Ianja, RASOARAHONA Jean

384 Amin'ny alalan’ny fikarohana mifototra amin'ny fanangonana loharanom-baovao isan-karazany momba ny fahampiana sy fanjariana ara-tsakafo any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara, ity lahatsoratra ity dia mampiseho fa amin'izao fotoana izao dia voamariky ny fironana mampanahy ny toe-java-misy any an-toerana vokatry ny anton-javatra maro isan-karazany, ao anatin'izany ny: faharefoan’ny sehatry ny fambolena vokatry ny hain-tany, ny taratry ny fahantrana lalina, ny tsy fandriam-pahalemana ara-tsosialy izay manimba ny fiveloman’ny mponina, ary koa ny tsy fahampian'ny fotodrafitrasa fototra ifotony. Ny fotoam-pijinjana dia manome fiarovana ara-tsakafo vonjimaika ny tokantrano sasany noho ny fihenan'ny vidin-tsakafo. Na izany aza, tsy vitan'izy ireo ny manangana tahiry mivaingana hiatrehana ny filàna mandavan-taona. Na dia eo aza ny fanamby, misy ny sori-dalana ahafahana manatsara ny rafitra ara-tsakafo any an-toerana. Singanina manokana ohatra ny fanitarana ny fanaparitahana ny fomba fambolena mifanaraka amin'ny tontoloiainana misy ary ny fanangonana ny fahaiza-manao sy ny lesona azo avy amin'ny traikefan'ny mpandray anjara tsirairay.

Tenizaha: Fanjarian-tsakafo, tsy fahampian-tsakafo, faharefoana, vanin-taona, hain-tany, atsimon’iMadagasikara, fivelomana

27/02/2025