RAKIBOLANA RAKIPAHALALANA

RAKIBOLANA RAKIPAHALALANA

« Vatolahin’ny Taonjato vaovaon’ny Akademia » no namaritan’Atoa Rajaona ANDRIAMANANJARA, Filohan’ny Akademia Malagasy, ny Rakibolana Miraki-pahalalàna raha namoaka ny andiany voalohany tamin’izany ny Akademia Malagasy, ny taona 2005.

 

Hoy indrindra izy : « Vatolahin’ny Taonjato vaovaon’ny Akademia no ajoro koa tsy mahagaga raha mitondra ny dian-tanan’ny Sokajy Efatra ny asa rehetra, ary lova ho an’ny Firenena sady fitaovana ho an’ny Malagasy tsy vakivolo no arafitra ». Nosinganina manokana io andalan-dahateny io satria mahalaza tokoa ny foto-pisian’ny Rakibolana Miraki-pahalalàna.

 

Mirakitra teny iditra miisa 35.000 ny Rakibolana Miraki-pahalalàna, lahatsoratra miisa 400 ary olomahay miisa 135 no nifarimbona tamin’ny lahasa ankapobeny. Misy  pejy 1133 ny Rakibolana Miraki-pahalalàna, ary ao anatin’izany dia ahitana ny momba ny Tany Madagasikara, ny Teny Malagasy ary ireo voambolana malagasy misy manomboka amin’ny A miafara amin’ny Z.

 

Amin’ny vidiny mirary dia mirary no amarotana azy eo anivon’ny Akademia Malagasy – Tsimbazaza sy ao amin’ny Foibe Momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy – Tahala Rarihasina Analakely, satria dia iray hetsy (100.000 Ar) ariary monja no sandan’izany haren-tsaina goavana izany.