TANJONA SY FILAMATRA

Araka ny Didy fanapahana tamin’ny 23 Janoary 1902, ny tanjon’ny Akademia dia ny handalina ny haiteny, ny fiaviana ary ny fiarahamonina malagasy. Ny fikarohana ataony dia hirona amin’ny fanadihadiana ny fiavian’ny Teny malagasy, ny famantarana sy ny famaritana ny fitsipika mifehy azy, ho fahalalana ny ankehitriny sy ny lasan’ny Nosy eo amin‘ny lafin’ny tantara, ny kanto, ny haisoratra, ny rafi-piarahamonina, ny fifampitondrana anatiny, ny lalàna velona nisy teo aminy.

Tamin’ny 1912, niitatra ho amin’ny lafiny tantara, haisoratra, siansa mikasika an’i Madagasikara ny asa sahanin’ny Akademia : Dia nodinihina ny momba ny taolantany fahagola (paléontologie), ny haibolantany (géologie), ny siansa biolojika.