Kabary fisantarana ny fandraisan’andraikitra nataon’i Pr Rabenoro Irène, nandritra ny Lanonam-panokafana ny Taom-piasan’ny Akademia Malagasy Alakamisy 24 Oktobra 2024 – Lapan’ny Akademia Malagasy, Tsimbazaza.
- Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Fiadidiana ny Repoblika, misolontena an’Andriamatoa Hajaina Filohan’ny Repoblika,- Andriamatoa Grand Chancelier de l’Ordre National Malgache,
- Andriamatoa Filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena,
- Andriamatoa Sekretera Jeneralin’ny Governemanta, misolontena an’Andriamatoa Praiministra, Lehiben’ny Governemanta,
- Ianareo manam-pahefana sy olom-boafidy ambony isany,
- Andriamatoa Filoha nahefan’ny Akademia Malagasy, Profesora RAJAOSON François,
- Andriamatoa Filoham-boninahitry ny Akademia Malagasy,
- Ramatoa Talem-paritry ny Agence Universitaire de la Francophonie ho an’ny Afrique Australe et de l’Océan Indien,
- Andriamatoa sy Ramatoa isany, Filoha lefitry ny Akademia Malagasy,
- Andriamatoa Filohan’ny Sampana Antsiranana an’ny Akademia Malagasy,
- Andriamatoa Filohan’ny Sampana Fianarantsoa an’ny Akademia Malagasy,
- Andriamatoa Filohan’ny Collectif des Professeurs des Universités de Madagascar,
- Andriamatoa sy Ramatoa isany Filoha lefitry ny Sokajy sy Mpirakitra maharitra,
- Isika mpikambana rehetra eto anivon’ny Akademia Malagasy,
- Ianareo rehetra manatrika manafy haja izao fotoana izao, amin’ny hasina sy ny voninahitrareo avy
- Tompokolahy sy Tompokovavy;
Misaotra anareo nanafy haja sy nampian-kotso voninahitra izao fotoana toka-tsy mielina izao Tompoko.
Ny kalo tsy ambalian-tokoa tsy manga, ny mandihy tsy amin’amponga maivana, fa ny lanonana tsy atrehanareo dia tsy manetriketrika.
Mitodika aminao aho, Prof. François Rajaoson, namana efa hatry ny 50 taona, fony ny tenako mbola mpianatry ny Oniversiten’i Madagasikara izay naha Rektora anao nandritra ny taona maro. Tsy hita firy tany an-dakilasy teny Ankatso moa aho tamin’izany fa somokotra nampianatra an’ireo ankizy tsy tafiditra an-tsekoly teny am-povoan-tanimbary andrefan’Ankazomanga. Ambangovangon’ny asa vitan’ny Akademia teo ambany fitarihanao ihany no notanisainao teo fa be lavitra noho izany no vitanao. Hay moa asa feno isan’andro ny asa ato, asa tsy ahazoana tambiny na sitraka, koa midera sy misaotra anao amin’ny fandavan-tenanao niatrika an’izany.
Fankasitrahana feno koa no atolotra anareo mpikambana ato amin’ny Akademia sy eo anivon’ny Foibe momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy ao amin’ny Rarihasina Analakely, ireo mpikambana ao amin’ny CMEST na « Centre malgache d’éthique pour les sciences et technologies » ary ny « Centre de prospectives ». Fa tsy misy ity Akademia ity raha tsy eo ianareo mpandraharaha, izay miafy dia miafy amin’ny lafiny maro nefa tontosa soa aman-tsara foana ihany ny asa. Misaotra, mankasitraka indrindra anareo.
Isaorana manokana ny Fikambanan’ny Sakaizan’ny Akademia, tsy ny eto ihany fa any amin’ny Faritra samihafa any koa. Misaotra fa ny Akademia no mbola afa-miasa sy mahavita mikarakara fihaonana siantifika dia noho ny fanohananareo amin’ny ampahany be Tompoko.
Arahabaina manokana ianareo Filohan’ny Sampana akademika. Anisan’izany ianao, Atoa Filohan’ny Oniversiten’i Toamasina sy ireo mpiara-miasa aminao amin’ny fahazotoanareo hamelona ny Sampan’ny Akademia any Toamasina. Tsy latsak’izany ny fankasitrahana atolotro ny Filohan’ny Fikambanan’ny Sakaizan’ny Akademia ao Toamasina sy ny mpiara-miasa aminy fa tena nanampy be tokoa ianareo tamin’ny fanatontosana ny fihaonambe momba ny « Les enjeux de la maritimisation » natao farany teo tany Toamasina. Tompon-trano moa aho ankehitriny, hatramin’ny nahavoafidy ahy tamin’ny 1 Oktobra 2024 ka mandra-pahatongan’ny faran’ny volana Septambra 2027. Koa izay no iarahabako anareo rehetra tonga eto Tompoko. Telopolo iraik’amby taona (31 taona) aho izao no tato amin’ny Akademia.
Ny naha tamàna ahy tato dia ankoatra ny maha sehatra fanolorana velakevitra azy (communications scientifiques), dia ianaran-javatra be dia be ato, mampieritreritra, ary sehatra ifanakalozan-kevitra ihany koa. Fa azo itokisana koa ny ato, tsy mamitaka, rehefa hoe hisy an’izao dia misy tokoa ary mahalana vao misy fahadisoam-potoana. Tsy miova mihitsy ny fandaminana samihafa ato: isaky ny Alakamisy voalohan’ny volana, mivory ny Sokajy I Haikanto sy Hailaza (Section des Sciences de l’art et du langage). Isak’Alakamisy faharoan’ny volana, mivory ny Sokajy II Haifiaina sy Haifitondra (Sciences morales et politiques). Ary isaky ny Alakamisy fahatelon’ny volana, mivory ny Sokajy III Hairaha fototra (sciences fondamentales) sy ny Sokajy IV Hairaha fototra (sciences appliquées) mitambatra. Ny Alakamisy faran’ny volana kosa no atao ny fivoriana iombonan’ny Sokajy rehetra. Misokatra amin’ny daholobe izany fivoriana rehetra izany, toy izany koa ireo fotoana manokana. Ohatra, noresahina tato vao haingana ny tokony hanokanana fotoana handinihina ny momba ny fanabeazana eto Madagasikara fa antoky ny fandrosoana io nefa mitontongana izay tsy izy izy ankehitriny. Tsy mbola voafaritra ny daty hanaovana an’izany, fa dia antenaina hoe mba hisy fanampiana avy amin’ny mpiahy ny Akademia amin’ny fikarakarana azy. Tsy ampy moa ny hoenti-manana ka lasa tsy afa-mamoaka ny Bulletin de l’Académie Malgache sy ny Mémoires de l’Académie Malgache intsony ny Akademia nefa ireo no nahalalana azy erani’zao tontolo izao hatramin’izay. Koa hoezahina ny hamoahana ao amin’ny tranonkalan’ny Akademia an’ireo velakevitra (communications scientifiques) iray manontolo izay heverina fa mendrika ny hivoaka. Araka izany, manasa antsika hitsidika ny tranonkalan’ny Akademia : www.akademia-malagasy.mg
Arahabaina manokana ianao Atoa Chancelier fa mino aho fa noho ianao no hisian’ny teny anglisy ao amin’ny tranonkala, fa tsy teny malagasy sy teny frantsay fotsiny. Izay hahalasa ny tranonkalan’ny Akademia ho "site de référence" koa no kendrena. Koa havoaka ao amin’ny tranonkala ohatra ny Politikan’ny teny izay lanin’ny Sampan’ny Akademia rehetra nivory tany Toliara tamin’ny 17 Jona 2019. Ho hita ao koa ny hevitry ny Akademia momba ny fomba fanisana izay nanaovan’ny Akademia fanambarana ampahibemaso tamin’ny 24 Jolay 2018.
Ny naha tamàna ahy tato koa dia ny fahafahana maneho hevitra an-kahalalahana sy miady hevitra na dia mety mifanohitra aza ireo mpikambana eo amin’ny sehatra politika. Rehefa ato dia mifanaja sy mifampihaino. Ny siansa no mampiray, tsy voazarazaran’ny politika ny mpikambana ato amin’ny Akademia. Mbola hita izany farany teo, tamin’ny "Journées d’échanges sur les violences et l’insécurité à Madagascar" izay natao tato tamin’ny 4-5 Septambra lasa teo ary isaorana ianareo mpitarika ny Sokajy II nikarakara ka naha lavorary an’izany fotoana hafa kely sy saro-pady izany. Tompon’andraikitry ny filaminam-bahoaka sy ny fiarovana samihafa ankehitriny sy teo aloha no nifanakalo hevitra teto, ankoatran’ireo mpikaroka nanolotra velakevitra (communication scientifique). Nafana ny resaka fa voatazona ny maha Akademia ny Akademia : nalalaka ny fanehoan-kevitra, nifanaja na dia indraindray aza tsy nitovizana ny fomba fijery.
Taloha, nanana ny toerany bebe kokoa noho ny ankehitriny ny mpikaroka tenany. Nisy ny nahavita be, toa an’Atoa Régis Rajemisa Raolison izay nahavita be teo amin’ny famoahana ny Rakibolana Malagasy, hany diksionera Malagasy-Malagasy mandrak’ity ny androany. Tamin’izany koa ohatra no naha mpikambana tato an’Atoa Faridanonana, izay namoaka ny Rantimbolana : diksionera tsimihety. Tato anatin’ny taona vitsivitsy, ireo mpitendry valiha manao fikarohana momba izany no nanolotra ny vokatry ny asany teto. Fa teo koa ireo mpanao hosodoko, ary vao lany mpirakitra maharitry ny Sokajy Haikanto sy Hailaza aza moa Atoa Hemerson Andrianetrazafy. Tsy dia ny be diplaoma na ny mikatsaka hahazo diplaoma ambony ihany akory no mankato fa hoentanina ny mpikaroka tenany sy ny tanora mpianatra mpikaroka hanatevin-daharana ny mpikambana ato, Misy ezaka kasaina hatao koa eo amin’ny fisarihina ny dokotera mpitsabo sy ireo professeurs de Médecine izay maro tato taloha fa vitsivitsy izy ankehitriny. Koa manasa azy ireo hanatevin-daharana ny ato amin’ny Akademia. Misy dokotera mivory matetika rahateo tato ho ato ato amin’ity trano ity ka irina mba hiakatra kely aty ambony ry zareo.
Momba ny teny malagasy, mitady fiaraha-miasa amintsika ireo Indoneziana avy amin’ny Negeri Rempah Foundation ka tonga nivory teto tamin’ny Oktobra 2023. Tsara araraotina izany mba hampandrosoana ny fikarohana momba ny teny malagasy amin’ny ankapobeny, fa indrindra ny fitenim-paritra. Dieny miresaka an’izany, eo koa moa ny Foibe momba ny teny an’ny Akademia Malagasy izay ny Filohan’ny Sokajy I, Atoa Rabenalisoa Ravalitera, no Tale Jeneraliny. Antenaiko hanomboka amin’ny taona ho avy io ny fampianarana fitenim-paritra sy teny malagasy fenitra ao. Betsaka ny ilàna ny fahaizana fitenim-paritra, na dia ny hanamafisana ny fihavanan’ny samy Malagasy fotsiny aza. Fa ilaina ihany koa ny mahay fitenim-paritra raha tiana hahomby kokoa ny tetikasa fampandrosoana. Moa rahateo fomba iray itehirizana sy hampandrosoana ny fitenim-paritra ny fampianarana azy. Hoararaotina izany fampianarana ny teny malagasy fenitra sy fitenim-paritra izany hampivoarana ny votoatiny sy ny fomba fampianarana ny teny malagasy fenitra. Mba ho toy ny fampianarana ny tenim-pirenena rehetra eran-tany, dia ny "approche communicative" no hampiharina sy hatao andrana. Efa namoaka boky be ho an’ny mpampianatra teny malagasy sy teny frantsay ny tetikasa "Appui au bilinguisme à Madagascar" izay niarahan’ny Ministeran’ny Fanabeazana sy ny Fikarohana siantifika tamin’ny Ambasadin’i Frantsa (SCAC Ambassade de France). Ny tanjona moa dia ny ahafehezan’ny mpianatra teny iray, dia ny teny nibeazany aloha izany, miampy ny teny fenitra sy ahaizany misaina amin’ny teniny. Ary mba ho afaka hahay teny vahiny samihafa izy avy eo. Ka ankoatran’ny teny frantsay, dia ny tenin’ny fanontoloana, izany hoe ny teny anglisy, no tokony ho hay koa. Ny heveriko fa foto-kevitra tokony hijoroana dia ny hoe Zon’ny olom-pirenena malagasy ny mampiasa ny fiteny nibeazany (fitenim-paritra na fiteny sosialy) fa Zony koa ny mianatra ny fiteny fenitra (Malagasy ofisialy).
Momba ny fiaraha-miasa amin’ny Akademia hafaMino aho fa ankoatran’ny efa fiaraha-miasa amin’ny Akademia hafa toy ny "Académie des Sciences d’Outre-mer" any Frantsa, dia hisantatra tsy ho ela ny fiaraha-miasa amin’ny "Académie de La Réunion" isika. Isaorana an’Atoa RANJATOHERY izay voaasa tany La Réunion izany. Marihina fa Akademiam-pirenena momba ny haikanto, ny hailaza ary ny hairaha (Académie nationale des arts, des lettres et des sciences) no tena anaran’ny Akademia Malagasy. Noho izany, mpikambana ao amin’ny NASAC na "Network of African Science Academies" (Tambazotra’ny Akademia momba ny hairaha aty Afrika) ny Akademia Malagasy. Ary na dia tsy nisy intsony aza ny fifandraisana tamin’io NASAC io nandritra ny taona maro noho ry zareo nandefa mailaka tamina adiresy efa tsy mandeha intsony hatry ny ela, dia efa nandefa tolotra vatsim-pianarana ("offre de bourses") sahady ho antsika Malagasy io Tambazoatra io izao. Koa hisolo tena ny Akademia Malagasy amin’ny Fivoriambe faha 20 sy ny fikaonan-doha fanaon’io NASAC io isan-taona ny tenako amin’ny faramparan’ny volana Novambra. Any Alger no hatao ireo fivoriana roa ireo. Ny lohahevitr’ilay fihaonambe siantifika dia ny hoe "Resources, Science and Technology for development in Africa". Ilay Ramatoa Filoha vaovaon’ny Akademia moa tsy mahita zorony amin’izany resaka izany, koa manantena an’ireo mpikambana ao amin’ny Sokajy III sy IV izy hanampy amin’ny fanomanana ny fandraisam-pitenenany amin’izany. Momba ny fifandraisana amin’ny any ivelany ihany, efa nosantarina vao haingana koa ny fifandraisana amin’ny Think Tank an’i Inde atao hoe DAKSHIN.
Mitaky ny fampiasana ny teny telo, dia ny teny malagasy fenitra, ny teny frantsay fenitra ary ny teny anglisy fenitra ny fifandraisana amin’ny any ivelany. Efa ela dia ela moa ny Akademia no naka an’io fanapahan-kevitra momba ny fampiasana an’ireo teny telo ireo. Hovelomina koa ny fifandraisan’ny Akademia Malagasy amin’ny Akademia hafa raha hita fa mahasoa izany. Ohatra ny Académie des sciences any Frantsa, any Rosia, any Maroc… Fa mialohan’ny fifandraisana amin’ny any ivelany, dia isika eto an-toerana aloha no mila manamafy ny fifandraisantsika. Koa hamafisina izany ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny Sampan’ny Akademia isam-paritra. Tsy afa-misaraka amin’ny raharaha iraisam-pirenena ny raharaham-pirenena. Manatsara ny fiainan’ny zanak’olombelona no tanjon’ny siansa.
Tsy milamina ny fiainana eto amintsika. Tsy mahalala ny mety sy ny tsy mety intsony ny olona maro.
Dia hoy aho hoe:
Manampahaizana maro mazoto miasa, tsara tohana avy amin’ny Fanjakana, mitsinjo ny tombontsoam-pirenena sy ny mpiara-belona aminy, izany no antoky ny fandrosoan’ny firenena.
Misaotra Tompoko