Filohan’ny Akademia Malagasy
Lahateny fanokafana ny Iray Volan’ny Teny Malagasy
Alatsinainy1 Jona 2026 amin’ny 10 ora
Andriamatoa Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika,
Andriamatoa isany Mpanolontsaina Ambonin’ny Fanavaozana ny Repoblika,
Andriamatoa Praiministra, Lehiben’ny Governemanta,
Andriamatoa Ministry ny Fampianarana ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa,
Ianareo vahiny manan-kaja tonga eto,
Tompokolahy sy Tompokovavy,
Mamelà ahy aloha hanolotra ny tonian-danona anio, dia Atoa Ranjatohery Harilala. Tsy teto an-toerana mantsy izy tamin’ny niarahabanay anao tratry ny taona tao Ambohitsorohitra, Andriamatoa Filoha, ka nanoloranay anao ny boky momba an-dRainandriamampandry. Izy no nanoratra an’iny boky be iny. Filoha lefitry ny Sokajy Haikanto sy Hailaza izy.
124 taona ny Akademia Malagasy, tamin’ny 1902 izy no niforona, izany hoe vao nanomboka kely ny fanjanahantany. Hita ao an-dalantsara ao ny sarin’ireo filohan’ny Akademia 8 mirahalahy nifanesy : Frantsay ny Filoha telo voalohany.
Sehatra fampahafantarana voka-pikarohana sy ahafahana mifanakalo hevitra ny Akademia.
Amin’ny herintaona, volana Janoary 2027, no hankalaza ny faha 125 taonany ny
Akademia.
Efa hitahita soritra ny lohahevitr’io fankalazana io : dia ny hahatonga ny
Akademia hanampy be kokoa ny fitondram-panjakana eo amin’ny fanapahan-
kevitra tokony horaisina eo amin’ny lafiny samihafa eo amin’ny fiainam-
pirenena.
Ny mampiavaka ny Akademia
Ny mampiavaka ny Akademia : izy irery no andrim-panjakana (institution) mijoro hatrany, tsy ravan’ny krizy politika mitranga eto amin’ny firenena. Ny siansa tokoa no mampiray fa ny politika mety mampisaraka.
Ny Akademia Malagasy ihany koa no Akademian’ny Hairaha (Académie des Sciences) ela nietezana indrindra aty Afrika.
Tsy mitovy amin’ny Académie française ny Akademia Malagasy. Misahana ny seha-pikarohana rehetra tokoa mantsy izy, fa tsy momba ny teny Malagasy fotsiny.
Noho izany, Akademiam-pirenena misahana ny Haikanto, Hailaza ary Hairaha (Académie nationale des arts, des lettres et des sciences) no tena anarany.
Mpîkambana ao amin’ny NASAC Network of African Science Academies = Tambazotran’ny Akademia Afrikana momba ny Siansa/Hairaha ny Akademia Malagasy. Ao Nairobi, Kenya, ny foiben’ny NASAC.
Ny teny ampiasaina ato amin’ny Akademia
Teny telo no azo ampiasaina ato amin’ny Akademia : ny teny malagasy, ny teny frantsay ary ny teny anglisy.
Fa rehefa ao anatin’ny Iray Volan’ny Teny Malagasy, dia tsy maintsy amin’ny teny malagasy avokoa ny velakevitra atolotra ato.
Maha voatery ny mpikaroka hitady voambolana mbola tsy hita izay ilazana azy amin’ny teny malagasy izany. Ary izany no anisan’ny fomba hanatevenana ny voambolan’ny teny malagasy.
Ny toerana ahafahana mianatra teny malagasy fenitra/ofisialy sy fitenim- paritra
Tsy misy toerana ahafahana mianatra teny malagasy, ankoatran’ny any an- dakilasy. Antenaiko fa ho afaka hisantatra ny fampianarana teny malagasy fenitra sy fitenim-paritra ny Foibe momba ny Teny an’ny Akademia Malagasy atsy ho atsy, araka ny kabary nataoko tamin’ny nandraisako asa teto ny 24 Oktobra 2024.
Hatomboka amin’ny fampianarana fiteny antandroy ny fampianarana fitenim- paritra. Mba hevitra natsipiko io satria hitako hoe misy antony mifandray amin’ny kolontsaina angamba raha toa ka efa am-polon-taonany, vola be no lany mba hanafoanana ny kere any Atsimo nefa toa tsy mbola resy foana izy io.
Ny mba hitiavan’ny tanora ny teniny
Tsy manintona firy ny tanora ny fampianarana teny malagasy. Ny fomba fampianarana azy mihitsy no tsy dia manintona. Ny votoatin’ny fampianarana koa mitodika loatra amin’ny lasa fa tsy misy firy momba ny teny malagasy amin’ny maha fitaovana ifaneraserana azy amin’ny fiainana ankehitriny.
Mila fikaonan-doha iarahan’ny mpikaroka sy ny mpampianatra ary ny mpianatra izany, ary ny momba ny teny rehetra ampiasaina sy ampianarina eto amintsika mihitsy angamba no tsara hatao.
Arahina asa karoka mitohy izany fikaonan-doha izany, fa tsy vitan’ny resaka.
Ny teny malagasy amin’ny maha tenin-dreny azy, fototry ny fampianarana mahomby
Miankina be dia be amin’ny fifehezana teny ny fahombiazana eo amin’ny fianarana.
Ny mpampianatra no voalohany tokony hampiana satria raha tsy mahay ny mpampianatra, tsy afaka ny hahay ny mpianatra. Fa tsy maintsy mba voky ny mpampianatra vao afaka ny hifantoka amin’ny asany.
Hoy izahay tamin’ny Mey 1972 hoe “Foano ny sekoly miangatra”. Fanabeazana ho an’ny rehetra tokoa no tanjona, fa fanabeazana tsara kalitao hoy ny ODD 4 an’ny Firenena Mikambana.
Hoy kosa ny UNESCO hoe fanabeazana maroteny mifototra amin’ny tenin- dreny (éducation multilingue fondée sur la langue maternelle) no mahomby indrindra.
Mora ny miteny fa mila asa be ny fanatanterahana an’izany, tsy vitan’ny kabary fa mila fahaizana sy faharetana.
Isika ireto ve efa nahita “école d’expression malgache » ? Any amin’ny « écoles primaires françaises » eto Madagasikara anefa, ampianarina adin’iray sy sasany isan-kerinandro ny teny malagasy sy ny teny anglisy. Tokony hampieritreritra antsika daholo izany.
Momba ny fandikanteny
Mila mpandikanteny maromaro isika, nefa tsy misy toerana ampianarana an’izany eto.
Koa tokony hanangana toeram-pampianarana fandikanteny an-tsoratra na am- bava isika.
Ny zavamisy tato ho ato momba ny teny
Talanjona ny maro satria tamin’ny Janoary 2025 vao natao teny ofisialin’ny Etazonia ny teny anglisy. Nihevitra daholo hoe efa teny ofisialy hatry ny ela be izy. Na tsy nanana satana teny ofisialy aza izany ny teny anglisy, dia efa noraisina ho toy ny teny ofisialy. Tsy ny satany no mitondra azy fa ny tanjany eo amin’ny sehatry ny toekarena sy ny siansa ary ny teknolojia.
Rehefa matanjaka ny toekarena, matanjaka ho azy ny tenin’ireo olona ao amin’ilay firenena. Fa rehefa marefo, dia marefo koa ilay teny.
Tranga iray hafa nanintona ny sain’ny mpanara-baovao koa ny nanaovana ny Fivoriana an-tampony Afrika-Frantsa (Africa Forward) tao Nairobi, Kenya, tamin’ny 11-12 Mey lasa teo. Hatramin’izay, tany amin’ny zanatany frantsay taloha no nanaovana an’io Fivoriana an-tampony io, izao lasa any amina zanatany britanika.
Alohan’ny hamaranako, dia mba saika hila vonjy kely izahay Atoa Filoha : hita etsy an-dalantsara ny rindrina feno lomotra, mifariparitra mainty noho ny tafo mitete be.
Koa sao re mba azo hatao ny manamboatra an’io sy ny hafa koa alohan’ny fahavaratra.
Dia mba hasiana ascenseur tsotsotra miakatra aty fa sahirana ny olona efa be taona sy tsy salama. Ary raha mahazo fampitaovana ny banja (amphi) atsy ivelany dia mba ho azo ampiasaina ara-dalàna.
Faranako ny lahateniko amin’ny teny filamatra nolovaintsika tamin’i Henri Rahaingoson, izay Filoha lefitry ny Sokajy Haikanto sy Hailaza ny lahateniko.
Samy nandao antsika 10 taona lasa moa izy sy Rtoa Juliette Ratsimandrava, izay Filohan’io Sokajy Haikanto sy Hailaza io tamin’izany.
Andrianiko ny teniko, ny an’ny hafa koa feheziko.
Misaotra Tompoko.
