TANTARA

Lapan'ny Akademia Malagasy

Rafitra naorin’ny Mpanjaka Radama II tamin’ny taona 1862 ary nantsoina tamin’izany fotoana izany tamin’ny anarana hoe Academy.Ny Alakamisy 27 Febroary 1902, tamin’ny telo ora tolakandro, tao amin’ny efitra fandraisam-bahinin’ny Governemanta jeneraly, ao amin’ny Lapam-panjakana ankehitriny, ao Ambohitsorohitra no nosokafan’ny Governera Jeneraly Galliéni, tamim-pomba manetriketrika ny Fivoriana nitokanana ny  Akademia Malagasy. Ny didy fanapahana tamin’ny 23 Janoary 1902 no nanorina azy sy nametraka azy teo ambany fiarovana sy fanaraha-mason’ny Governora Jeneraly.

Tamin’io fotoam-pivoriana voalohany io no najoro ny Birao ary voafidy ho Filoha voalohany ny Architecte principal Antony Jully, Lehiben’ny Sampan-draharaha misahana ny Tranom-panjakana. Raha nanao fanamarihana izy amin’ny tokony hisian’ny trano atokana hampandavorary ny asan‘ny Akademia, dia nanome toky ny Governora Jeneraly hoe : “Rehefa mampiseho ny fahavitrihany ny Akademia dia tsy hisalasala aho hanokana trano arifomba ho azy, ary ny endrika ivelany dia hifanentana amin’ny asa lehibe sahaniny.”

Araka ny Didy fanapahana tamin’ny 23 Janoary 1902, ny tanjon’ny Akademia dia ny handalina ny haiteny, ny fiaviana ary ny fiarahamonina malagasy. Ny fikarohana ataony dia hirona amin’ny fanadihadiana ny fiavian’ny Teny malagasy, ny famantarana sy ny famaritana ny fitsipika mifehy azy, ho fahalalana ny ankehitriny sy ny lasan’ny Nosy eo amin‘ny lafin’ny tantara, ny kanto, ny haisoratra, ny rafi-piarahamonina, ny fifampitondrana anatiny, ny lalàna velona nisy teo aminy.

Voafetra ihany ny mpikambana nantsoina hanatanteraka izany : mpikambana mahefa 12, mpiombon’antoka 30, tsy voafetra kosa ny isan‘ny mpikambana tsotra.

Raha dinihina ny momba ireo mpikambana mahefa voalohany, dia hita fa efa hatramin’izany ny Akademia no nivondronan-taranja, samihafa niombonam-pirenena sy … nanana endrika eokiomenika, ka nahitana mpahay maritrano, dokotera, administratera, mpanabe, mpitandrina protestanta, pretra katolika, Britanika, Norveziana teo anilan’ny Frantsay sy Malagasy. Izany toe-javatra izany, dia nandalo vanim-potoana maro ary mbola tavela mandrak’ankehitriny.

Manomboka ny 1902 ka hatramin’ny faran’ny taona 1920, dia nanamarika izany fotoana izany ny asan’ireo mpahaiteny na mpahaivolana

Tamin’ny 1912, niitatra ho amin’ny lafiny tantara, haisoratra, siansa mikasika an’i Madagasikara ny asa sahanin’ny Akademia : Dia nodinihina ny momba ny taolantany fahagola (paléontologie), ny haibolantany (géologie), ny siansa biolojika.

Nanodidina ny taona 30, dia naka toerana ny siansa moraly sy politika, ary avy eo ny siansan’ny zavaboahary. Tsapa fa manana andraikitra lehibe eo amin’ny fampitomboana ny fahalalana ny firenena ny Akademia.

Tamin‘ny 1946 no niforona ny foibem-pikarohana siantifika mitondra ny anarana hoe Institut de Recherche Scientifique de Madagascar (IRSM).

Ny taona 1952, Fahadimam-polo taonan’ny Akademia malagasy, dia ny Prof. Millot, Talen’ny l.R.S.M., dokotera sady anthropology, no Filoha nitantana azy nanomboka tamin‘ny taona 1948. Talen’ny Musée de l’homme tao Paris ihany koa izy. Mpiandraikitra ambony maro eo amin’ny tontolon’ny siansa ary irak‘ireo fikambanana ahitana manampahaizana vahiny samihafa no tonga nanome voninahitra io Fahadimampolo taona io. Noraketina tao anaty bokikely manokana ny anaran’ireo boky navoakan’ny Akademia nandritra ny dimampolo taona ary notanisaina tao anatin’izany ireo lahatsoratra momba ny Akademia ihany koa. Nisy famintinana samihafa natao momba ireo asa miavaka vitan’ireo mpikambana tamin’izany, isaky ny sokajim-pahalalana.

Ny taona 1958, taom-piandohan’ny fanomezana andraikitra ny Malagasy : voafidy ho Filoha malagasy voalohany hitantana ny Akademia malagasy ny Dokotera Radaody-Ralarosy Paul, dokotera nivoaka tamin’ny Institut Pasteur, lalim-pahaizana sy fanta-daza tokoa.

Ny taona 1969 : nitohy ny fanomezana antdraikitra ny Malagasy, ny fanagasiana hoy ny Teny mahazatra. Napetraka ho eo ambany fiarovan’ny Filoham-pirenena ny Akademia. Nisy ny didim-panjakana nanavaozana ny rafitra ka nametrahana ny Sokajy efatra mba hitsinjo ny fiantsorohana ny fampandrosoana :

  • Teny – Haisoratra sy Kanto ;
  • Siansa moraly sy politika;
  • Siansa fototra ;
  • Siansa ampiharina.

Isaky ny Sokajy dia misy Filoha iray, Filoha Lefitra iray ary Mpirakitra maharitra iray.

Ireo Filohan’ny Sokajy ireo no Filoha Lefitry ny Akademia. Nisy fitomboany ny isan‘ny mpikambana monina eto Madagasikara : 40 ny mpikambana mahefa – 40 ny mpikambana mpiombon’antoka, izany dia noho ny fitomboan’ireo mpikaroka sy avarapianarana malagasy vao nisondrotra teo amin‘ireo Sokajy rehetra.

Noferana ho 120 ny mpikambana tsotra, nisy koa ny mpikambana any ivelan’i Madagasikara izay voafetra ho 60 ny isan’izy ireo.

Avy amin’izany Didim-panjakana izany – no nipoiran’ireo endrika asa vaovao : fanomanana fihaonambe, dinika sy atrikasam-pirenena na iraisam -pirenena : ireo dia manamafy ny fijoroan’ny Akademia ho ambohim-pihaonan’ny daholobe, ny teratany sy ny vahiny, ny mpahay siansa, ny oniversitera, ny mpandraharaha. Azo lazaina fa nahavita dingana vaovao iray ny AKademia, dia ny fampivelarana ny fikarohana mba hifandraika bebe kokoa amin’ny zava-misy sy ny zava-mahamaika.

Ny taona 1973 : voafidy ho Filoha malagasy faharoa — ary fahadimy tamin’ireo nitantana ny Akademia – taorian‘ny’nahafatesan’ny Dokotera Radaody-Ralarosy Paul, Andriamatoa Rabenoro Césaire. Docteur en pharmacie, Docteur d’Etat en sciences politiques, efa nitana ny andraikitry ny Masoivoho na Ambasadaoro efa Minisitra ihany koa. Ny fikarohana ny maha malagasy eo amin’ny sehatra rehetra – sy ny fiezahana hampivoitra ireo soatoavina malagasy – no nezahany nohamafisina mba hampivelatra ny olom-pirenena, ny toekarem-pirenena, ny fiarahamonina ary ny kolontsaina malagasy. Nanomboka teo ny fisokafan’ny Akademia ho amin’ny sampan‘asa maro eto amin’ny Firenena sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena (Eoropa, Amerika, Afrika,  Azia).

Ny taona 1977 : Fihaonambe iraisam-pirenena telo no nanamarihana ny faha 75 taonan‘ny Akademia. Manampahaizana an-jatony avy amina Firenena 13 no nandray anjara tamin’izany Niorina teo koa – ireo Komitim-paritry ny Akademia – miisa ho dimy ary mikendry ny fanapariahana ny andraikitra.

Ny taona 1993 : Nisy Didim-panjakana vaovao nanatsarana ilay tamin‘ny taona I969, ary izany no mifehy ny Akademia ankehitriny. lo Didim-panjakana io no nanova ny anarana ho Akademiam-pirenena malagasy misahana ny Kanto – Soratra – Siansa, sy mampivoitra ny andraikiny eto amin‘ ny Firenena amin’ireo sokajim-pahalalana samihafa. fa tsy mijanona fotsiny ho eo amin’ny Teny, izany dia mba tsy hisian’ny fifangaroam-piheverana. Ny Akademia izay efa eo ambany fiarovan‘ny Filoham -pirenena dia napetraka eo ambany fahefana moralin’ny Praiministra. ary – momba nv ara-bola – eo ambany fiahian’ny Ministra misahana ny toebola. Natao rafitra mipetraka ny Komitim-paritry ny Akademia. Nitombo isa indray ny mpikambana monina eto Madagasikara (mpikambana mahefa : 80 – mpiombona antoka 180 — mpikambana tsotra : 120 miisa 280 ny fitambaran’ireo). Najoro ny komity mandanjalanja ireo asam-pikarohana voasoratra -isan’ny zava-kendrena mantsy ny hahatrarana ny lenta iraisampirenena. Ny isan’ireo mpikambana any ivelany dia mahatratra 120 ny fitambarany. Voafariparitra mazava kokoa ny andraikitry ny birao sy ny Chancelier.

Niova anarana ny Sokajy misahana ny Teny – Haisoratra – Haikanto, ka lasa Sokajy misahana ny Siansan’ny Laza aman-tSeho.

Hita tao amin’ireo taranja rehetra ny endrika sy fomba fiasa siantifika izay lazaina fa anisan’ny fanalahidin’ny fampandrosoana.

Nanomboka ny taona 1993, ny hetsika fankalazana ny “Roa andron‘ny Teny Malagasy” dia nanomezan-danja manokana ny Teny malagasy.

Ny taona 1993 no najoro ny Foiben‘ny Akademiam-pirenena malagasy momba ny Teny ho amin’izany tanjona izany.

Ny taona 1996 : nisy fifanarahana roa nifanaovana tamin’ny Académie de Sciences de France, sy ny Académie de Russie izay nosoniavina tany Paris sy Moscou Nifanindran-dalana Tamin’izany koa ny fametrahana fifandraisana tamin’ny Fondation Internationale pour la Science de Suéde. ny Académie des Sciences du Tiers-Monde, ny Académie des Sciences de l’Afrique, ny Union Académiques Internationale.

Ny taona 2002 : Fahazato taonan’ny Akademia malagasy, izay efa niova ho Akademiam-pirenena malagasy misahana ny Kanto – Haisoratra – Siansa, afohezina mazàna amin’ny teny hoe Akademiam-pirenena malagasy.