photo-1 photo-2 photo-3 photo-4 photo-5
 

Fanatanterahana ny fitrandrahana solika any Tsimiroro

RAMBININTSOA Tahina Michel, RASAMIMANANA Georges, MARA Edouard Remanevy

466 Sarotra ny tetikasa fitrandrahana solika ao Tsimiroro. Ny fanatanterahana azy dia mitaky fahaizamanao isan-karazany amin’ny fitantanana ny tetikasa sy amin’ny fanatsarana ny famokarana na amin'ny lafiny habetsahany na ara-potoana. Tsy mbola manana ny traikefa ilaina amin’ny fitrandrahana ny solika i Madagasikara, na eo amin’ny lafiny fitantanan-draharaha na ara-tsosialy. Na izany aza anefa dia tokony hitondra soa ho an’ny Malagasy izany fitrandrahana izany amin’ny fampitsaharana ny fahatapahan-jiro ary koa ho enti-mampandroso ny toekaren’ny firenena amin’ny alalan’ny fampiasana ny harena an-kibon-tanintsika.
Ho an’i Madagasikara, tombontsoam-pirenena ity tetik’asa solika ity ary maneho fahafahana mampiasa ny fiandrianam-pirenena. Ny fitrandrahana dia hitarika antsika mankany amin'ny fahaleovantena ara-bola sy angovo amin'ny alalan'ny fampiasana ny tahirin-tsolika. Noho izany dia ilaina ny mamorona tontolo tsara ho an'ny fanatanterahana ny tetikasa sy hiantohana ny fandrindrana ny sehatra maro ilaina amin’io fitrandrahana io, ny eo anivon'ny governemanta. Mba hahombiazan’ny tetikasa dia zava-dehibe ny fampidiran’ny firenentsika ireo topona petrabola sy mpiara-miombon’antoka ara-teknika manana traikefa iraisam-pirenena amin’ny fitrandrahana solika ao anatin’ny orinasa “Madagascar Oil”. Fanampin'izany, ny drafitra fanatanterahana ataontsika dia tokony handray ny traikefan’'ireo firenena manana toe-javatra mitovy amin'ny an'i Madagasikara.

Tenizaha: Tsimiroro, fiandrianam-pirenena, fitrandrahana, solika

19/02/2026


Ny anjara toeran’ny tantara eo amin’ny fanorenana fiarahamonina manandratra ny fahasamihafana.

RATONGAVAO Charles Raymond

409 Manoloana ny korontana mety ho ateraky ny tsy fahazakana ny fahasamihafana, eo amin’ny fiaraha-monina, manana anjara manokana ny tantara. Taranja iray miahy ny tadidy mikasika ny fiainan’ny zanak’olombelona, raha tahiny ka voahaja hatrany ny fitsipika mifehy azy, dia ny filazana ny marina momba ny andaniny na ny ankilany. « Tsy miangatra, lazaina ny mety sy ny tsy mety » na ho an’iza na ho an’iza. Iezahana asongadina ny lafiny mahasika « ny fahavanonan-ko olona » isaky ny miatrika vanim-potoana na ny lova napetrak’ireo olobe nanana ny maha-izy azy tany aloha. Tsy raisina ho fahavalo ny hafa, na ireo tsy mitovy hevitra aminao, apetraka ho toy ny namana mpiara-miombon’antoka eo amin’ny fanorenana fiaraha-monina. Lalana iray azo anorenana fiarahamonina mandala ny fahasamihafana izany. Fomba azo anampiana ny fihavanana malagasy hanana fihavaozana ity fomba fiainana ity, ary mety haha- voakasika ihany koa ny tontolo ara-politika, ialana amin’ny fanaovana politika mirona any amin’ny antoko tokana na loko tokana.

Tenizaha:

03/07/2025