Acceptabilité des produits alimentaires enrichis avec les autolysats de viscères d’Esturgeon « Acipenser baeri ».
RANDRIAMIDOSY Jean Claude, RAVONINJATOVO Mboahangy, ANDRIAMBELOSON Onja, RANDRIAMAHATODY Zo, RAZANAMPARANY Julia Louisette
Ny fikarohana momban’ny fanatsarana ny kalitao ny sakafo amin’ny alalan’ny akora be protida azo avy amin’ny zavatra hafa tsy mahazatra dia tena miroborobo fatratra ankehitriny. Mifanindran_dalana amin’izany indrindra ity asa fikarohana ity, izay mikendry ny fampiasana ny “otoliza” na singa be protida azo avy amin’ny taovana tondro vaventy “esturgeon” aimin’ny sakafo,dia any mofo mangahazo sy ny krokety izany. Taorian’ny fanodinana ara biolojika ny taova trondro dia nahazo singa be otrika’aina ka napidirina tao anatin’ireo sakafo ireo ny singa tamin’ny fatra samihafa. Rehefa natao fitiliana ireo miraoba mety hitera-doza hoan’ny mpanjifa dia hita fa mahafapo ny valiny ka afaka omen any mpihina ary azo tahirizina hatramin’ny roa volana ny sakafo nohatsatsarina. Ny fanandramana ny fankafizan’ireo mpanjy dia nahitana fa tsy nisy fiavahany ny mofo mangahazo nohatsaraina na dia samihafa aza ny fatan’ny singa be protida nampidirina. Fa kosa henon’izy ireo ny fahasamihafany teo amin’ny tsiro sy ny tsapa, miohatra amin’ny mofo magahazo tsy misy singa, izay nampihena ny faniriany hanjifa ny vokatra izany. Mahakasika ny krokety ihany koa dia voamarin’ny kajy ara statistika fa tsy nisy fiavahany ny sakafo nohatsaraina fa kosa hit any fahasamihafana teo amin’ny fanatsarana 20% singa sy ny krokety tsy misy singa. Izany dia vokatrin’ny fahenoan’ireo mpanandrana ny tsirona trondro sy ny somary mangidy fara, izay tranga efa hita tao amin’ny mofo mangahazo.
Tenizaha:
Singa, mahafapo, fanatsarana, ekena
18/04/2024
Variabilité de la densité du bois de Ravenala madagascariensis Sonn. Prédite par la spectroscopie proche infrarouge.
RAMANANANTOANDRO Tahiana, RASOAMANANA Lalaina Patricia, RAZAFIMAHATRATRA Andriambelo Radonirina
Ny tambatsirimpahazavana "enprocheinfrarouge" (SPIR) dia fomba famakafakana hazo izay tsy manimba ny hazo. Tamin'ity fanadihadiana ity dia no jerena ny fahombiazan'ny SPIR amin'ny
faminavina ny taha-danjan’ny hazo (WSG) an'ny Ravenala madagascariensis, vokatra avy amin’ny ala izay tsy hazo eto Madagasikara. Mba hanatanterahana izany, dia nalaina ny
santionany manaraka ny savaivo avy amina efitra telo (tahony, fonon-dravina, ravinkazo), avy amin'ny vatana Ravenala madagascariensis anaky roapolo amin’ny zato nalaina avy tamin'ny
toerana telo. Nalaina ny SPIR tamin'ireo santionany ireo. Ny valin’ny fikarohana dia mampiseho fa ny modely vinavina tsara indrindra dia manambatra ny "SNV + DT ". Ny mason'ity
modely ity dia: RMSEcv 0,013 g.cm-3, R²cv 0,73 ary RPDcv 2,76. Ao amin'ny fanamarinana mahaleotena, ny modely dia mampiseho R² 0,70 sy RPD 2,17. Ny fampiharana ny maodely vinavina
dia manambara fa misy fiovana manaraka ny savaivony WSG ao amin’ny Ravenala madagascariensis. Ny faritra afovoany dia manana taha-danjan’ny hazo ambany kokoa (eo ho eo
amin'ny 0.082 g.cm-³) noho ny faritra amin’ny sisiny (0.12 g.cm-³), izay misy fahasamihafana lehibe (> 0.1%). Ankoatr'izay, misy fiantraikany manan-danja amin’ny WSG ny
fifandraisana eo amin'ny savaivo sy ny efitra. Tsy nisy fiantraikany manan-danja ny fifandraisana savaivo x toerana. Ity fanadihadiana ity dia manome fampahalalana momba ny
toetran'ny hazo amin'ity karazana tsy fahita firy ity, ka manatsara ny fahatakarana ny mahazava-dehibe azy ara-tontoloiainana.
Tenizaha:
tambatsirimpahazavana, vinavina, taha-danjan’ny hazo, fiovaovana manaraka ny savaivo, Ravinala
16/05/2024