Ireo antony avy amin’ny ranomasina mahatonga ny Kere any atsimon’i Madagasikara : inona no vahaolana hanamafisana ny fahafahan’ny mponina miatrika izany ?
MAHATANTE Tsimanaoraty Paubert,MARA Edouard Remanevy
Ny kere na ny hanoanana any atsimon’i Madagasikara dia nisintona bebekokoa ireo mpijery ny maha olona, fa mahalana kosa ireo siantifika,
mba hahafahana manavotra aina na dia eo aza ny fiveremberenan’izany tranga izany. Tamin’ny fitrangan’ny Tiomena (rivotra mena) ny volana
oktobra 2020 ary araky ny sosokevitra izay avy amin’ireo fanadihadiana maro tany aloha dia nisy Manampahaizana nanatanteraka asa fikarohana
araky ny lafiny ranomasina sy ny zava-misy. Natao izany mba hanamarinana indray mandeha ny fifandraisan’ny kere sy ireo tranga andranomasina
ao atsimon’i Madagasikara ao indrindra fa ny upwelling (fiakaran’ny rano avy any amin’ny lalina ary mangatsiaka), ny tendroroan’ny ranomasimbe
indianina ambanin’ny tropika (dipôle subtropical de l’océan indien), ny El Nino, ny La Nina, ny alizay atsimo atsinanana mba hitondrana
fanazavana misimisy kokoa hoan’ny rehetra sy ireo Mpanapa-kevitra ara-politika. Ilay fikarohana dia nanamafy indray mandeha fa misy fifandraisana
ny kere sy ireo tranga andranomasina ireo. Ireo kere nifanesy in-16 izay voasoratra hatramin’ny taona 1896 dia vokatry ny upwelling ary
manampitrotraka izany ireo tranga hafa voalaza etsy ambony sy ireo fomba nentim-paharazana sasan-tsasany. Sosokevitra maro no naroso
hanamafisana hatrany ny fahafahan’ny vahoaka miatrika isan’izany ny fampiroboroboana ny toekarena manga, ny fanatsarana ny fisitrahana
rano sy ireo fotodrafitrasa mahakasika ny làlana indrindra fa ny fametrahana ilay rindrin’ala lehibe.
Tenizaha:
kere, ranomasina, upwelling, tendroroan’ny ranomasimbe indianina, fahafahana miatrika, vondronolona, toekarena manga
27/10/2025
Ny anjara toeran’ny tantara eo amin’ny fanorenana fiarahamonina manandratra ny fahasamihafana.
RATONGAVAO Charles Raymond
Manoloana ny korontana mety ho ateraky ny tsy fahazakana ny fahasamihafana, eo amin’ny fiaraha-monina, manana anjara manokana ny tantara.
Taranja iray miahy ny tadidy mikasika ny fiainan’ny zanak’olombelona, raha tahiny ka voahaja hatrany ny fitsipika mifehy azy, dia ny filazana
ny marina momba ny andaniny na ny ankilany. « Tsy miangatra, lazaina ny mety sy ny tsy mety » na ho an’iza na ho an’iza. Iezahana asongadina
ny lafiny mahasika « ny fahavanonan-ko olona » isaky ny miatrika vanim-potoana na ny lova napetrak’ireo olobe nanana ny maha-izy azy tany aloha.
Tsy raisina ho fahavalo ny hafa, na ireo tsy mitovy hevitra aminao, apetraka ho toy ny namana mpiara-miombon’antoka eo amin’ny fanorenana
fiaraha-monina. Lalana iray azo anorenana fiarahamonina mandala ny fahasamihafana izany. Fomba azo anampiana ny fihavanana malagasy hanana
fihavaozana ity fomba fiainana ity, ary mety haha- voakasika ihany koa ny tontolo ara-politika, ialana amin’ny fanaovana politika mirona any
amin’ny antoko tokana na loko tokana.
Tenizaha:
03/07/2025



