Inventaire et distribution des lémuriens dans la forêt de Mahadrodroka, Nord-ouest de Madagascar.
RATSIMBAZAFY Jonah Henri, RANDIMBIHARINIRINA Roger Doménico, RASOLONDRAIBE Emmanuel, RAHARIVOLOLONA Brigitte Marie
Raha hampitahaina amin’ireo ala hafa, dia mbola vitsy ny fikarohana natao momban’ny
habetsahana sy ny fomba fiparitahan’ireo varika ao amin’ny alan’ny Mahadrodroka, ao amin’ny
Distrikan’Analalava. Ity no fikarohana voalohany momban’ny hakitrokin’ny varika izay
notontosaina tao amin’io alan’ny Mahadrodroka io. Ny "fomba fanisana manaraka lalana
mahitsy" no fomba nampiasaina nijerena izany hakitroka, ny fiparitahana ary ny
habetsahan’ireo varika izany ary ihany koa namantarana ireo tsindry isan-karazany izay mihatra
amin’izy ireo sy ny toeram-ponenany. Miisa dimy ireo karazana varika hita tao amin’ny alan’ny
Mahadrodroka; ka telo amin’izy ireo dia ilay karazana mivoaka amin’ny alina (Matavy rambo,
Vokim-bahy ary Raipaka), ny iray mandeha amin’ny atoandro sy alina (Varikamainty) ary ny
iray mivoaka amin’ny atoandro (Varikafotsy). Nisy ireo dian’ny Hay-hay (toerana avy
nisakafoanany) hita nandritran’ity fikarohana ity. In-661 izahay no nahita varika nandritran’ny
fotoam-piasanay; ka ny Vokim-bahy sy ny Varikafotsy no manana hakitroka ambony indrindra
amin’izany. Ny fandripahana ala vokatrin’ny famokarana arina fandrehitra, ny fanamboarana
lakana, ny doro-tanety ary ny tavy no tsindry betsaka indrindra manapotika ny toeram-
ponenan’ireo varika ao amin’ny alan’ny Mahadrodroka.
Tenizaha:
Varika, hakitroka, tsindry, Mahadrodroka, Avaratra andrefan’i Madagasikara
25/04/2024