Caractérisation chimique des huiles essentielles de Syncephalum (S. suborbiculare et S. tsinjoarivoense) poussant à l’état spontané dans la région de Vakinankaratra

RABEHAJA R. Delphin J.;PAOLI Mathieu;IHANDRIHARISON Harilala;ANDRIANJARA Charles;TOMI Félix;RAMANOELINA Panja A. R.

82Ny Nalaina tamin’ny fitaovam-pitenehana “Clevenger” nasiana fanovana, ny lohamenaka roa avy amin’ny zava-maniry Syncephalum suborbiculare sy S. tsinjoarivoense, vokatra vaovao teto Madagasikara, no nasongadina ny taharony tamin’ny fampiarahana ny teknika “chromatographique” CPG-Ir sy “spectrales” (CPG/SM ary RMN 13 C). Ny mampiavaka ireo lohamenaka roa ireo dia ny fananany singa ambony amin’ny 1,8-cineole (43,07 sy 52,07 %), saingy samy hafa kosa amin’ny alalan’ny i) “hydrocarbures monoterpéniques” : α-pinene (8,15%) sy β-pinene (4,22%) ao amin’ny Syncephalum suborbiculare ii) ary “hydrocarbures sesquiterpéniques”: (E)-β-caryophyllene (6,16%) sy α-humulene (6,42%); ireo singa ireo dia miaraka amin’ny “alcools monoterpéniques” : linalol (9,61%) sy α-terpinéol (6,39%) ho an’ny S. tsinjoarivoense.

Tenizaha:Syncephalum suborbiculare,S. tsinjoarivoense,lohamenaka,singa simika,Madagascar

21/06/2022