Fampidirana ny lafiny aram-piarahamonina sy ara-toekarena amin'ny famolavolana ny fananganana faritra arovana an-dranomasina. Fandinihana tranga: Complex Récifal Toliara (CRT)

RANAIVOMANANA Lala N.J.;MARA Edouard Remanevy;RANAIVOMANANA Rindra F.

74Ny Ny lahatsoratra dia manoritra ny drafitra fananganana faritra arovana an-dranomasina sy manasongadina ny fampidirana ny lafiny maha olombelona mba hampihena ny taha pandàvan’ny mponina ny fametrahana ny faritra arovana an-dranomasina. Ny faritra “Atsimon’i Toliara”, izay voakasiky ny fanadihadiana dia miainga avy any Anakao ka hatrany Itampolo/Androka, mirefy 80 km eo amin’ny morontsiraka, dia miavaka amin’ny ny vatohara. Ny famaritana ireo sokajim-paritra arovana dia miankina amin’ny fepetra fototra miisa efatra : (i) Fanarahana ny fepetra fototra amin’ny fizaram-paritra (principe de grappe), (ii) ny fitsinjarana ireo karazam-paritra hita amin’ny vatohara, (iii) ny toetoetra biolojika sy ekolojika, ary (iv) ny filàna sy ny asa fiveloman’ny mponina eo an-toerana. Faritra arovana an-dranomasina dimy no voasokajy ho laharam-pahamehana izay manana velaran-tany mirefy 17.140 ha, ahitana ny 11.531 ha aty fototra sy 2.725 ha ny faritra voa aramaso ny fampiasana azy, ary 2.884 ha natokana ho an’ny fitantanana aram-piarahamonina. Ny 83% ny faritra voaaro dia ao voasokajy ho aty fototra mafy sy faritra voa aramaso ny fampiasana. Ny 61% ny dia ao anaty faritra ivelan’ny vatohara, 20% amin'ny faritra dia any amin'ny hantsana ivelany ary 19% amin'ny hara. Ny paikady izay mampiditra ny lafiny maha olombelona olona dia tsy afaka nihoatra ny dingan'ny “reductionnisme systémique” fa nijanona tetikady ho entina mampihena ny taham-pandavàn’ny mponina ny fametrahana faritra voa aro fotsiny ihany. Izany dia amin'ny alàlan'ny fanalavitana ireo aty fototra ny toeram-ponenana sy toerem-pihariany. Na izany aza anefa, ny paikady dia azo deraina nohon ny ezaka fametrahana ireo faritra “ampiasaina sy voa aramaso”, sy ireo faritra ho tantan’ny mponina, izay ho lasa toerana fianarana sy fampiroboroboana ny fahaiza-manaon’ny mponina eo an-toerana. Saingy, mba ahombiazan’izany fampianarana sy fitaizana izany dia mila voaporofo fa misy fihatsaràny ny vokatry ny jono amin’ireo faritra ireo.

Tenizaha:Ranomasina Faritra arovana, paikany, maha-olombelona, Atsimo Andrefana Madagasikara

16/06/2022