Kolontsaina matimanota sy tany tandalàna

Jean Joseph Aimé RANDRIAMAHENINA

72Ny Sivilizasiona ny Fihavanana ary Kolontsaina ny Matimanota sy Tandalàna. Voasahan’ny lalàna ny tontolo (Étienne Roy, 2013; Jean Carbonnier, 1995) nefa mifanila ny Matimanota sy Tsimatimanota. Matahotra Zanahary ny Mpanjaka (Marofela, Andrianampoinimerina…) nefa samy nanao didy ny Tsimatimanota. Inona no antony nampiova ny Kolontsaina Matimanota? Mitory misy porofo ny siansa, mampitaha, tsy manisy efitrefitra ny fahaizana. Telo no vokatra: 1.) Kolontsaina fanjanahana ny Tsimatimanota (1958), sondriantory ny Malagasy (1959). Taona 1972, tsy natao matimanota izay omem-pitokisana. 2) Navadiky ny tantara ny fanalalahana (Brazzaville 1944, Fihetsehambahoaka 1968 sy 1972). Lova faha de Gaulle ny Fanjakana tsy azo ozongozonina sy fahefam-pitsarana mitsinjo filaminana. Nisy Mpitsara sy Administrateurs civils voaroaka nefa tsy kolontsaina ny Tsitialainga sy Mizàna. Ilaina raketina avokoa, na ny fihetsika mendrika na ny voamaintilany nampiova ny Matimanota, voalamina ny adin-tany Itasy (2006) saingy adino ny Fitsarana ary voaheloka ho faty ny mpamboly.

Tenizaha:Administrateur civil, Fitsarana, Matimanota, Mizàna, Tsitialainga

09/06/2022