fahaiza-manao tsy manana traikefa amin'ny fanompoana ny firenena

RAZAFINDRAKOTO Misa

51Ny Mety ho maro ny fanontaniana sy ny adihevitra ateraky ny lohateny hoe “ fahaiza-manao tsy manana traikefa amin'ny fanompoana ny firenena ”. Ny fanamarihana miharihary voalohany dia hoe tsy misy dikany na tsy mitombina ilay lohateny. Raha ny marina, ankoatry ny hevitra fonosiny izay misy fifanipahana ifotony, ny lohateny resahina etoana dia maneho tsy fahatomombanana, izay mety ho hita soritra eo amin’ny lafiny ara-pahalalana sy fahaiza-manao ary ny traikefa ananan’ny tsirairay eo am-panatanterahana ny andraikitra iantsorohany eo amin’ny fanompoana ny firenena. Mampibaribary ny lesoka misy eo amin’ny fiaraha-monina sy ny fanjakana ary ny firenena amin’ny ankapobeny, izay mitaky fandinihana lalina amin’ny lafiny maro koa nefa ilay lohateny. Ilay fifanipahana ifotony, izay azo heverina ihany koa ho endrika fanehoana ny tsy faneken’ny saina ny toe-javatra miseho, no iaingan’ny famakafakana. Ka hasongadina amin’izany ny fisiana hetaheta ho amin’ny fanatsarana sy fanovana ilaina, mba hizorana mankany amin’ny fanomezan-danja ny « fahalalana sy fahaiza-manao arahina traikefa voaporofo » eo amin’ny fanompoana ny firenena, amin’ny sehatra rehetra, fa indrindra eo amin’ny tontolon’ny haifiaina sy ny haifitondra.

Tenizaha:Fahaiza-manao, traikefa, hasina, harena maha olona, fanjakana tan-dalàna, soa iombonana

14/04/2022