Ny hiragasy : trangam-piarahamonina feno mitondra amin’ny fampandrosoana

RAJAONAH née RAKOTONDRABE ANDRIAMIHAJA Bakomalala Faraniaina Ny Harisoa

50Ny Manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainan’ny olombelona sy ny fiarahamonina ny kolontsaina. Ao anatin’izany ireo antsoina hoe hira vokatry ny tany toy ny hiragasy, fahita indrindra amin’ny faritra afovoan’i Madagasikara ka nanompanana ity asa fikarohana ity, izay nampitondraina ny lohateny hoe « Ny hiragasy : trangam-piarahamonina feno mitondra amin’ny fampandrosoana ». Mihalefy laza mantsy izy io, hamaivanin’ny olona sy ny mpitondra fa heveriny ho lany andro, tsy mendrika intsony ny vanimpotoana ankehitriny. Ny tanjona kendren’ny fikarohana dia ny haneho ny hasin’ny hira vokatry ny tany. Asongadina fa mamolavola ny maha olona, ny maha izy ny tena, mitaiza sy manabe ny tsirairay hahatsapa ny maha olon’ny fiarahamonina sy ny firenena azy mihitsy ireny karazan-kira nentin-drazana ireny. Koa ilaina izy hanaovana fikarohana, hampahafantarina, kajina mba hampandraisina anjara eo amin’ny fampandrosoana ankapobeny. Teo amin’ny fomba fandinika dia napetraka ho toa ny vondrona na rafitra iray lehibe ny hiragasy izay ahitana singa maromaro mifamatotra sy mifampiako ao anatiny. Nojerena araka izany ireo karazana seho fahita amin’ny hiragasy ka namahavahana ireo singa telo lehibe mandrafitra azy: voalohany ny maha literatiora azy maneho ny kanto, faharoa ny maha fitaovam-pifandraisana ifampitan’ny fiarahamonina (indrindra ambanivohitra) hafatra ary farany ny maha vakoka mitahiry ny lasa azy. Ny fomba fiasa amin’ny fikarohana antrôpôlôjika no nampiharina mba ahafahana manason-gadina fa trangam-piarahamonina iray feno ny hiragasy araka ny famaritan’I Marcel MAUSS. Toe-javatra iray ao anatin’ny fiarahamonina izy ka manosika sy mampiaina azy ary mendrika atao fitaovana amin’ny fampandrosoana ny firenena.

Tenizaha:kolontsaina, hiragasy, harentsaina, trangam-piarahamonina feno, fampandrosoana

14/04/2022