Isolement et caractérisation partielle des nématodes phytopathogènes du gingembre (Zingiber officinale Roscoe) dans la Région d’Alaotra Mangoro, Madagascar.
HARISOA ROJOMITIA Sandie Olaf, ANDRIAMIARISOA Lovaniana Dinanirina,RAZAFINDRAKOTO Malalatiana, RAHETLAH Volatsara Baholy
Firenena mpamokatra ilo fototra tsara kalitao avy amin’ny sakamalaho (Zingiber officinale Roscoe),
ka afaka mifaninana amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Madagasikara. Na eo aza izany dia misedra
olana ny mpamokatra avy amin’ny faritra Alaotra Mangoro nohon’ny fihenan’ny vokatra sy ny
fahasimban’ny kalitaon’ny voly tao anatin’ny dimy taona nifanesy. Nisy fanadihadihana natao teny
ifotony teo anivon’ireo mpiara-miombon’antoka ao anatin’ny Faritra nampiana fakàna santionana tany
sy voly avy amin’ny toeram-pambolena sakamalaho. Ny fisehon’ny aretina amin’ny alalan’ny
fahalovana miafara amin’ny fahafatesana dia mitovy amin’ny fiheson’ny aretina ateraky ny kankana
tsy hita maso. Ny valin’ny fitiliana ny loharanon’aretina dia naneho kankana tsy hita maso mpanimba
ny voly toy ny: Helicotylenchus spp., Xiphinema spp., Tylenchus spp.ary Meloidogyne spp. Ny
fahafahantarana ireo kankana tsy hita maso ireo dia dingana lehibe ao anatin’ny fitadiavana paikady
ho fisorohana ny aretina.
Tenizaha:
Alaotra mangoro, kankana tsy hita maso, fahalovana, fanondranana, lagaly,sakamalaho
20/03/2025