Evaluation de l’état actuel de la sécurité alimentaire dans le Grand Sud de Madagascar.
RABENANDRASANA Hus Alpha Jacquis, RASOARAHONA Felamboahangy Henintsoa, RAOLISOA Ianja, RASOARAHONA Jean
Amin'ny alalan’ny fikarohana mifototra amin'ny fanangonana loharanom-baovao isan-karazany momba ny fahampiana
sy fanjariana ara-tsakafo any amin'ny faritra atsimon'i Madagasikara, ity lahatsoratra ity dia mampiseho fa
amin'izao fotoana izao dia voamariky ny fironana mampanahy ny toe-java-misy any an-toerana vokatry ny anton-javatra maro
isan-karazany, ao anatin'izany ny: faharefoan’ny sehatry ny fambolena vokatry ny hain-tany, ny taratry ny
fahantrana lalina, ny tsy fandriam-pahalemana ara-tsosialy izay manimba ny fiveloman’ny mponina, ary koa ny
tsy fahampian'ny fotodrafitrasa fototra ifotony. Ny fotoam-pijinjana dia manome fiarovana ara-tsakafo vonjimaika
ny tokantrano sasany noho ny fihenan'ny vidin-tsakafo. Na izany aza, tsy vitan'izy ireo ny manangana tahiry
mivaingana hiatrehana ny filàna mandavan-taona. Na dia eo aza ny fanamby, misy ny sori-dalana ahafahana manatsara
ny rafitra ara-tsakafo any an-toerana. Singanina manokana ohatra ny fanitarana ny fanaparitahana ny fomba
fambolena mifanaraka amin'ny tontoloiainana misy ary ny fanangonana ny fahaiza-manao sy ny lesona azo avy
amin'ny traikefan'ny mpandray anjara tsirairay.
Tenizaha:
Fanjarian-tsakafo, tsy fahampian-tsakafo, faharefoana, vanin-taona, hain-tany, atsimon’iMadagasikara, fivelomana
27/02/2025