Ny Varika: Tsy fiompy, tsy fihinana, fa andrin’ ny ala

Jonah Ratsimbazafy

32Ny Madagasikara dia manan-karena noho ny fananany ireo biby sy zava-maniry tsy hita ivelan’ity nosy ity. Anisan’ny mampiavaka an’i Madagasikara ny fisian’ireo Varika maro isan_karazany miisa 112 izay mamaritra ny 20% -n’ny Primates eto ambonin’ny tany. Ny ala voajanahary no tena fonenan’izy ireo, kanefa mihazakazaka be ny fahapotehin’ny ala izay efa latsaky ny 10% sisa no tavela ankehitriny. Na dia efa misy lalana mazava mandrara ny fisamborana azy ireo ho biby fiompy sy fihinana aza dia mbola misy foana izany ankehitriny. Vokatr’izany dia efa atahorana ho lany tamingana ny 95% -n’izy ireo, kanefa maro amin’ireo varika mihinana voankazo no manana anjara lehibe amin’ny fampihaonana ny vony lahy sy ny vavy ny voninkazo ho lasa voankazo ary koa manaparitaka amin’ny toerana fonenany ireo karazana voankazo marobe izay maniry ho lasa hazo lehibe mitambatra ho ala. Vokam-pikarohana maro no nanamporofo izany adidy sy andraikitra lehibe ataon’ny varika izany ka ny fisian’izy ireo amin’ny toerana misy azy dia mbola miantoka ihany koa ny fahaveloman’ny ala voajanahary izay miantoka ihany koa ny fahaveloman’ireo karazam-biby hafa sy ny olombelona ihany koa. Ny tsy fahatsapan’ny olombelona fa andrin’ny ala ireo harena varika ireo dia hitarika fahatapahin’ny rohy voary izay mety hiafara ihany koa amin’ny fahanjavonan’ny zava-boary maromaro ihany koa. Noho izany ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny varika dia natao ampahafantarana ny olona rehetra ny maha zava-dehibe ny varika.

Tenizaha:

17/02/2022