Dinika iraisan-dahatsoratra sy iraisan-kolontsaina momba ny tsaho toy ny fomba fidirana tamin’ny fiarahamonina tao Mahajanga

RAZAMANY Guy

3Ny Ity tsaho ity dia nitranga tany Mahajanga tamin’ny 1981, mikasika ny filazana fa misy biby mamora ankizy lahy kely antandroy tamin’ny alina.Dinihinay araka ny fomba fijery eo amin’ny haiolombelona ara-drafitra sy eo amin’ny fifanfraisandahatsoratra io tsaho io mba hahafantarana ireo heviny samihafa teo amn’ny fiarahamonina tamin’izany fotoana izany.Ireo Antandroy dia anisan’ireo foko malagasy mpifindramonina any amin’ny morontsiraka Avaratra-Andrefan’i Madagasikara noho ny fitadiavana ravinahitra. Avy atsimon’io firenena io no fiavian’izy ireo. Ahitana firazanana maromaro izy ireo, anisan’izany ny firazanana iray izay tsy manao famorana ny fomban-drazany nefa betsaka ny mponina malagasy manao io fomba anehoana ny dingana amin’ny fianan’ny olombelona io. Noho izany, ny tsy fanaovana ny famorana dia nahatonga ny fanilihana ara-piarahamonina ary fanambaniana ny ireo fiarahamonina antandroy rehetra tao Mahajanga.

Tenizaha:famorana, firazanana, foko, biby, ary tsaho

09/09/2021