Violence - Désordre - Insécurité, un aspect de l'état général de l'Afrique encore colonisée.
MANDRARA Thosun Eric
Ny tsy fandriampahalemana dia tsy zavatra mandeha irery, fa toe-javatra anaty lamina fiaraha-monina
iray. Raha lamina ankapobe no dinihina, ny filozofia sy ekonomia politika, siansa voalohany, lohalaharana,
izay tsy maintsy andalovana, dia manazava fa io lamina io dia mifandray amin’ny resaka vola, resaka
fahafahana, fahafahana mietsika na tsia, resaka fanjanahantany.
Ny tsy fandriampahalemana dia zava misy anatin'ny tsy fahafaham-mietsika, ny tsy fisian'asa, ny
fanjanahana, fanjanahana anatiny raharaham-bola... Izany rehetra izany mipetraka anaty safidim-pahaizana,
safidy momba ny filozofia sy ekonomia-politika. Tokony ampiakarintsika ho fahaizana siansa anakiroa ireo
no takiana amin’ny olona antsoina hoe « mahay taratasy » mba anavotana marina ny firenena.
Tenizaha:
herisetra, fahafahana, vola, tontolo, fanjakana
05/09/2024