Immobilité des institutions et impunité face aux "crimes de haut niveau".

Hasina Antenaina Rambinimanana

280 Ny lohateny sahala amin’izao dia toa te haneo fanakianana mafy manoloana ny zava-mamohetra ampitaina amin’ny haino vaky jery sy ny fampahalalam-baovao (fanodinkodinana ny volam-bahoaka, trafikana harena stratejika, trafikana fitaovam-piadiana mahery vaika…). Dieny ety am-boalohany isika dia mila mitandrina amin’ny teny atao. Ity fampitana ity dia fandraisana anjara amin’ny fandalinana syady hevitra akademikamomba ny “herisetra sy tsy fandriam-pahalemana” eto Madagasikara. Ireo voambolana nentina nandrafitra ity lohateny ity dia tsy milaza mihitsy fanakianana be na fitsarana izay mety ho hetsika na fanapahan-kevitra efa noraisina tomponandraikitra na iza na iza, na inona na inona anjara andraikiny. Izao lahateny izao indrindra ihany koa dia tsy manana dindona politika velively. Tsy eto isika no handresy lahatra ny mpihaino sy mpamaky ny amin’izay fahatokian’ny saranga manana ny fahefana; na koa hanohana eo anatrehan’izy ireo fa mitombina ny dradradradran-tsy fahafaliana fanaon’ny saranga mpanohitra. Ny tian-kambara amin’ny hoe “fandikan-dalana avo lenta” eto dia izay mety ho zavatra atao azo enjehina eo anatrehan’ny fitsarana, tsy ho afaka atao amin’ny fomba tsotra fa tsy maintsy misy fidirana an-tsehatry ny olona manana fahefana ambony. Indro ary ny fanontaniana tena manitikitika antsika: Amin’ny fomba ahoana moa no mahatonga ny “institution” toy ny lalana ho voahitsaky ny “charisme” manokana mety ananan’ny olona? Ny tena vaindohan-tanjontsika eto dia hamahavaha ireo fikitranana ao ambadik’izao toe-javatra izao, ny “institution” milefitra eo anatrehan’izay mety ho tombony manokana (fananam-bola, laharam- boninahitra…). Mba hahafahantsika manao ny famakafakana araka ny tokony ho izy dia mila ezahana dinihana akaiky aloha, amin’ny lafiny iray, ny fihetsiketsehana misy ao amin’ny fitantanan-draharaham- panjakana hita taratra ao amin’ny rafi-pitsarana ohatra; ary amin’ny lafiny iray hafa, ezahina ampitahaina hoe hatraiza ny fahatanterahan’ny atao hoe “fanjakana tan-dalana” any amin’ireo firenena tandrefana sy aty amin’ny firenena afrikana sahala amin’ny Madagasikara.

Tenizaha:“institution”, “charisme”, fandikan-dalana avo lenta, rafi-pitsarana, fanjakana tan-dalana

04/09/2024