Etude des facteurs de qualité des fèves fermentées de Theobroma cacao de Sambirano – par l’évaluation sensorielle du chocolat

Fanjaniaina Fawbush Razafimbelo;Mahery Andriamanantena;Jean Rasoarahona;Béatrice Raonizafinimanana;Estelle Ramanankasina;Panja Ramanoelina

27Ny Ny kalitaon’ny kakao ambony sokajy dia miankina amin'ny fototarazon'ny hazo kakao, ny toetry ny faritra haniriany dia Sambirano izany ary ny fikarakarana aorian’ny fiotazana, ka misalotra ny marika "kakao miavaka" ny kakao malagasy. Ny fanotrehana dia manampy amin'ny fiforonan'ny tsiro miavaka haharenesana fofom-boankazo madinika somary marikivy toy ny frezy ary somary mafaitra kely ao amin'ny sôkôla novokarina. Miovaova anefa ny kalitao: ny kakao Criollo dia nolaziana fa mandritra ny telo andro monja no tokony ho hanotrenana azy, kanefa sady hahitana kakao Criollo, Forastero ary indrindra Trinitario ny kakao malagasy. Natao ireo andrana fanotrehana manana faharetany samihafa sy isan'ny fanafangaroana anelanelany, ary rehefa izany dia nokarakaraina ho sôkôla mainty ny kakao azo hanatanterahana ny famakafakana ny tsirony sy hitsarana ny fankafizana azy. Ny fanotreahana 6 andro mielanelana fanafangaroana isaky ny roa andro ary ny fanotrehana 6 andro miaraka amin'ny fanafangaroana 3 no nanome vokatra tsara indrindra.

Tenizaha:kakao, fanotrehana, sôkôla, kalitao

20/01/2022