Ireo singa lehibe mamaritra ny fatran’ny sakafo lanin’ny zaza ao amin’ny Kaominina Ambanivohitra Morarano Chrome, Distrika Amparafaravola, Faritra Alaotra Mangoro – Madagasikara.

RALISON Charlotte, RAZAFINDRATSIMA Yannick

268 Manana taha ambony amin’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka i Madagasikara, mahakasika 38% ny zaza latsaky ny 5 taona. Marolafy ny anton’izany,indrindra ny tsy fahampian’ireo singa mpamelona ilain’ny vatana,vokatry ny tsy fahatomombanana ara-tsakafo ao an-tokantrano. Morarano Chrome no nosafidiana nanaovana ny fikarohana satria i) manana taha ambony amin’ny tsifanjariantsakafo mitarazoka, nefa mamokatra sakafo isan-karazany ii) mbola vitsy ny mpisehatra amin’ny fanjariantsakafo any. Ny tanjona dia ny hamantatra singa mamaritra ny fatran’ny sakafo lanin’ny zaza. Notsongaina tao an-toerana zaza 9 - 12 volana miisa 101 miaraka amin’ny reniny hanatanterahana ny asa. Nalaina horonan-tsary ireo fihetsikin’ny zaza sy ny reniny mandritra ny fampisakafoanana, manaraka tondrozotran’i Moore sy ny namany (2006). Nolanjaina ny koba lanin’ny zaza,nomarihina ny fotoana nihinanany azy.Nolanjaina sy norefesina ny zaza, noraisina ny mombamomba ny tokantrano misy azy,ny fahitan’ny reny ny fahazotoany homana amin’ny andavanandro. Hita nisongadina fa ambany ny fahazotoan-koman’ny zaza,satria amin’ny ankapobeny dia 98,5g monja no koba laniny, na 12,8g/kg,raha 30g/kg no sahaza ny vavoniny.Ny fikirakirana ara- « statistika » ny vokatra, dia manondro singa telo misy fiantraikany amin’ny fatran’ny sakafo lanin’ny zaza 1) faharetan’ny fampisakafoanana 2)fahazotoan-komany andavanandro 3)famporisihana manokana ahitana fifandraisana amin’ny zaza sy ny mpamahana azy.

Tenizaha: tsifanjariantsakafo, fahazotoankomana, famporisihana,fatra, sakafo

27/06/2024