La vertu de la tolérance des agents publics, caution de la neutralité politique de la fonction administrative.

RANDRIAMIARAMANANA Emma

262 Tsy hita soritra mazava ny fitandroana ny fahamendrehan’olombelona eo amin’ny sehatry ny fifandraisan’ny Mpiasam – panjakana sy ny vahoaka, indrindra rehefa mbola misafotofoto be ihany ny tsy fiandaniana ara – politika. Efa zava – dehibe ny fanomezana fahafaham – po izay manana asa atao eny amin’ny biraom – panjakana fa fanamby lehibe koa ny fananana toe – tsaina mendrika sy fitondran –tena tsara entina manaja ny mpiara – belona. Ity fanadihadiana ity dia mitrandraka ireo fepetra ilaina hananana izany hoe “fiainana tsara” sy “fiaraha – miaina” izay kinendrin’ny asam – panjakana mifanaraka amin’ny lalàna napetrak’ i Rolland, izay manasongadina ny fitoviana. Aseho amin’izany ireo lalàna sy fepetra politika ara – tsoratra sy araky ny toe- panahy itondran’i John Locke filozofa anglisy azy. Ny hevitra tohanana dia ny fisafidianana ny fandeferana ho toetra tsara voalohany takiana mba hahatanteraka ny tsy fiandaniana eo amin’ny fitantanana ny asam – panjakana ao amin’ny Repoblika anjakan’ny tany tan – dalàna.

Tenizaha: fandeferana, hatsaran-toetra, tsy fiandaniana ara-politika, fanjakana tan-dalàna, hasina maha-olona, Mpiasam-panjakana

02/05/2024