Acceptabilité des produits alimentaires enrichis avec les autolysats de viscères d’Esturgeon « Acipenser baeri ».

RANDRIAMIDOSY Jean Claude, RAVONINJATOVO Mboahangy, ANDRIAMBELOSON Onja, RANDRIAMAHATODY Zo, RAZANAMPARANY Julia Louisette

256 Ny fikarohana momban’ny fanatsarana ny kalitao ny sakafo amin’ny alalan’ny akora be protida azo avy amin’ny zavatra hafa tsy mahazatra dia tena miroborobo fatratra ankehitriny. Mifanindran_dalana amin’izany indrindra ity asa fikarohana ity, izay mikendry ny fampiasana ny “otoliza” na singa be protida azo avy amin’ny taovana tondro vaventy “esturgeon” aimin’ny sakafo,dia any mofo mangahazo sy ny krokety izany. Taorian’ny fanodinana ara biolojika ny taova trondro dia nahazo singa be otrika’aina ka napidirina tao anatin’ireo sakafo ireo ny singa tamin’ny fatra samihafa. Rehefa natao fitiliana ireo miraoba mety hitera-doza hoan’ny mpanjifa dia hita fa mahafapo ny valiny ka afaka omen any mpihina ary azo tahirizina hatramin’ny roa volana ny sakafo nohatsatsarina. Ny fanandramana ny fankafizan’ireo mpanjy dia nahitana fa tsy nisy fiavahany ny mofo mangahazo nohatsaraina na dia samihafa aza ny fatan’ny singa be protida nampidirina. Fa kosa henon’izy ireo ny fahasamihafany teo amin’ny tsiro sy ny tsapa, miohatra amin’ny mofo magahazo tsy misy singa, izay nampihena ny faniriany hanjifa ny vokatra izany. Mahakasika ny krokety ihany koa dia voamarin’ny kajy ara statistika fa tsy nisy fiavahany ny sakafo nohatsaraina fa kosa hit any fahasamihafana teo amin’ny fanatsarana 20% singa sy ny krokety tsy misy singa. Izany dia vokatrin’ny fahenoan’ireo mpanandrana ny tsirona trondro sy ny somary mangidy fara, izay tranga efa hita tao amin’ny mofo mangahazo.

Tenizaha: Singa, mahafapo, fanatsarana, ekena

18/04/2024