Ny voambolana ho an’ny taotrano : feni-pirenena momba ny trano mahatohitra voina voajanahary.

RAKOTOMALALA Jean Lalaina, ANDRIAMBOAVONJY Hanitriniaina, RAKOTOARIVELO Anselme, RABEARIVELO Patrice, RAJAOARISOA Ranaivomahasetra

253 Raha ny tantaran’ny teny malagasy sy ny fanagasiana no resahina, dia tsapa fa misy fahabangana sy hadino ny teo amin’ny sehatry ny asa vaventy sy ny taotrano. Zary iainana andavanandro izany, na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra. Etsy andaniny, tsy ilaina intsony ny manaporofo ny lanjan’ny fampianarana sy ny fikarohana eo amin’ny sehatry ny asa, fa isany sampana miroborobo tokoa ankehitriny ny tontolon’ny asa vaventy sy ny taotrano. Raha resahina araka izany ny boky sy ny rakitra an-tsoratra amin’ny teny malagasy momba io tontolon’ny asa vaventy sy ny taotrano io, dia mbola vitsy dia vitsy izany, ary tsy hita na tsy nampiasaina mihitsy aza teo amin’ny sehatry ny asa, fa ireo boky vahiny hatrany no nampiasaina. Vokatr’izany dia mibahan-toerana ny teny vahiny sy ny fanagasiana tsotsotra sady tsy ôfisialy. Eo anivon’ny Akademia Malagasy indray, araka ny loharano tahiry, dia tsy mbola misy ny mpikaroka manokana momba ny taotrano sy ny asa vaventy nitondra voka-pikarohana natao amin’ny teny malagasy teto amin’ny Akademia. Izany antony rehetra izany no nanosika ireto ekipa mpikaroka liana amin’ny voambolana malagasy hanolotra ny vokatry ny fikarohana vita izay nampiasaina tamin’ny fandrafetana ny “feni-pirenena momba ny fanorenana trano mahatohitra ireo voina voajanahary eto Madagasikara”.

Tenizaha: taotrano, asa vaventy, feni-pirenena, teny malagasy, voina voanjanahary

04/04/2024