OLANA SY FANAMBY RAHA HANDIKA LESONA FIZIKA AMIN’NY TENY MALAGASY. OHATRA NY SINEMATIKA.

RAJAOBELISON Joël, ANDRIAMIHAJA Solonavalona

252 Foto-pisainana ekena eran- tany ny fampiasana ny tenindreny amin’ny fampianarana Ambaratonga fototra sy faharoa. Ohatra amin’izany, ny eto Madagasikara, ny teny enti-mampianatra tsara indrindra dia mazava ho azy tokony ho ny teny malagasy. Raha hitanisa ohatra vitsivitsy any ivelany : teny frantsay any Frantsa, teny anglisy any USA sy UK, teny alemàna any Alemaina, teny sinoa any Shina. Marihina etoana fa ireo firenena voatanisa etsy ambony ireo dia firenena anisan’ny matanjaka indrindra eran- tany. Mifanipaka amin’izany ny ankamaroan’ireo firenena izay voatery nampianatra ny zanany amin’ny tenim- pirenena hafa nohon’ny antony samihafa dia voalahatra anisan’ny firenena mahantra indrindra eto ambonin’ny tany anisany ireo firenena zanatany frantsay sy anglisy. Izany toe-javatra izany no nampirisika ny mpanoratra hanandrana ny mandika ho amin’ny teny malagasy ny lesona sinematika ao amin’ny kilasy famaranana, Ambaratonga faharoa, mba hahafantarana ny olana sy ny fanamby izay tokony hatrehina. Efa nisy ihany ny fanandramana fanagasiana ny fampianarana tamin’ny taona 70 sy 80 fa tsy tonga lafatra nohon’ny lesoka amin’ny lafiny rafitra akademika tsy tomombana. Rehefa niverenan’ny mpanoratra ity lohahevitra noresahantsika ity, dia afaka namelabelatra ny fototra sy ny toe-tsaina ilaina amin’ny fandikan- teny ireo fehezanteny sy voambolana teknikan’ny fizika, indrindra ny sinematika ho amin’ny teny Malagasy izy.

Tenizaha: fizika, dikanteny, malagasy

04/04/2024