Les peintures rupestres dans les grottes archéologiques de Madagascar.

RADIMILAHY Marie de Chantal, TANAMBELO Rasolondrainy Reinaldo

250 Zara raha misy 400 km manasaraka an’i Madagasikara amin’ny Kaontinanta Afrika izay nahitana sary hosodoko sy sary sokitra amin’ny rindrimbato maro tamin’ny vanimpotoanan’ny fahagolantany elabe. Tsy mba nanaovana fanadihadiana mitohy loatra ny toeramponenana misy sary hosodoko amin’ny rindrimbato hatramin’ny taona 2010 teto Madagasikara. Noheverina mantsy fa tsy afaka miampita ny Lakandranon’i Mozambika ireo Afrikanina tany aloha tany, antony tsy nampiraika firy tamin’io endrika fikarohana mikasika ny lasa io. Ny fahitana ireo toerana mirakitra sary hosodoko nanomboka tamin’ny 2010 no nanova io fomba fijery io, indrindra koa moa fa ny valin’ny fikarohana paleontolojika sy arkeolojika dia nahitana fa efa nanomboka 4500 ka hatramin’ny 6000 taona talohan’izao vanimpotoana hiainantsika izao no nisy olona teto amin’ny Nosy. Vitsy dia vitsy ireo toerana misy sary hosodoko amin’ny rindrimbato no resahina. Ity velankevitra anio ity dia hiresaka indrindra ireo fanontaniana mikasika ny fikarohana ny sary hosodoko amin’ny rindrimbato eto Madagasikara.

Tenizaha:

28/03/2024