Evaluation du potentiel de biocontrôle de souches natives d’actinomycètes contre le flétrissement bactérien (Ralstonia solanacearum) de la pomme de terre.

ANDRIAMIARISOA Dinah, FANJANIAINA Chantal, RADANIELINA Tendro, RAKOTOARIMANGA Nirina, RAHETLAH Volatsara Baholy

249 Anisan’ny tena fahavalon’ny famokarana voly eto Madagasikara ny aretina fandazo ateraky ny fitambaran’ny bakteria avy amin’ny tany atao hoe Ralstonia solanacearum. Ny fikarohana natao dia mifantoka amin’ny famokarana fanafody biolojika vita avy amin’ny mikraoba actinomycete avy any anatin’ny faritry manodidina ny fakan’ny voly ovy ho fiadiana amin’ny fandazo. Amin’ny mikraoba actinomycete 84 hita fa manana toetra manohitra ny fitombon’ny bakteria R solanacearum dia misy 4 afaka manome faribolana tsy anirin’ny bakteria mirefy hatramin’ny 30mm ny sakany. Ny andrana natao teny ifotony tao amin’ny distrikan’Ambatolampy, faritra Vakinankaratra mifantoka amin’ny fampiasana zezika biolojika vita amin’ny mikraoba actinomycete manohitra fandazo tokana na mifangaro voafono anaty tany mainty lonaka dia naneho fahafahana miaro ny voly ovy karazany Mevamena amin’ny fandazo (mampidina hatramin’ny 53% ny tahan’ny lazo) sy fahafahana mampitombo ny vokatra ovy hatramin’ny 86%.

Tenizaha: antagonista, fanafody voly biolojika, fandazo, Ralstonia solanacearum, Vakinankaratra, zezika biolojika

21/03/2024