Ny fitsipiky ny teny malagasy toavina sy ampiharina.

RATREMA William

243 Manana ny fitsipika mifehy azy ny tsipelin-teny malagasy. Fitsipika izay ampiharina amin’ny fitsarana ny taranja malagasy amin’ireny fanadinam-panjakana ireny ary toavin’ny mpampiasa ny teny malagasy an-tsoratra amin’ny ankapobeny.
Soritana anefa fa teny velona ny teny malagasy ka miovaova amin’ny lafiny samihafa sy araka ny vanim-potoana. Mivoatra eo amin’ny lafiny voambolana. Miova toy izany koa eo amin’ny lafiny tsipelin-teny.
Na eo aza izany toetra miovaova sy mivoatra ananan’ny teny malagasy izany dia tsy maintsy misy fitsipika entina mifehy ny fomba fanoratra azy na dia mandritra ny vanim-potoana voafetra aza. Nanana endrika samihafa ireny feni-panoratana ireny : didim-panjakana tamin’ny faha-mpanjaka, fitsipika nampiharina tamin’ireo boky manan-danja toy ny Baiboly sy ny Rakibolana, fitsipika raketin’ny tatitra navoakan’ny Akademia.
Araka izany dia azo ambara fa tsy dia misy olana goavana eo amin’ny fanoratana ny teny malagasy. Misy rahateo ireo rafitra misahana ny fikarohana momba ny teny na eto anivon’ny Akademia na eny anivon’ny Anjerimanontolo eto an-toerana na any ivelany.
Saingy na eo aza izany dia toa tsy misy rafitra manana fahefana hentitra amin’ny famaritana ny feni-panoratana ny teny malagasy eto amintsika. Araka ny tolo-kevitra nentina namarana ity fanadihadiana ity dia tokony ho ny Akademia, ary izy ihany no hanana izany fahefana izany.

Tenizaha:

21/02/2024