LA FOURNITURE DES CONNAISSANCES TRADITIONNELLES ASSOCIEES AUX RESSOURCES GENETIQUES A MADAGASCAR

ANDRIANALIFIDY Henintsoa Diavolana, RAMAMONJISOA Lolona, RABEMANANJARA Zo Hasina, ANDRIAMALALA Solofoniaina Gabriel, RAMAMONJISOA Bruno

240 Ny fahalalana nentim-paharazana mifandray amin’ny harena foto-tarazo dia trandrahan’ny mpikaroka sy ny indosrtialy. Ity lahatsoratra ity dia manadihady ny fomba fanao amin’ny fahazoana izany fahalalana nentim-paharazana mifandray amin’ny harena foto-tarazo izany, mba hahafahan’ny mpihazona mahazo tombony amin’ny fizarana ara-drariny sy ara-kitsiny ny tombotsoa azo avy amin’ny fampiasana azy ireo, araka ny rafitra ara-dalàna manankery nasionaly sy iraisam-pirenena. Ny famakafakana dia natao tamin’ny fampahalalana nangonin’ny fanadihadiana nataon’ireo mpihazona sy ny mpampiasa ny fahalalana nentim-paharazana. Ny fidirana amin’io fahalalana io dia tsy miankina amin’ny fitsipiky ny faneken’ny tompon’andraikitra. Tsy misy fizarana ny tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana azy ataon’ireo mpampiasa azy amin’ny tompony. Tsy mahalala ny zony ireto farany ary mahazo ny fahalalany maimaimpoana ny mpampiasa. Ity toe-javatra ity dia tsy miteraka fifampizaràna tombontsoa azo avy amin’ny fampiasana izany fahalalana izany. Ilaina ny fanamafisana ny fahaiza-manaon’ireo mpandray anjara amin’io lohahevitra io mba fiarovana sy hampiroboroboana izany fahalalana izany.

Tenizaha:fidirana, fampiasana, fahalalana nentim-paharazana, harena foto-tarazo, mpihazona, fizarana, tombontsoa

15/02/2024