Utilisation de Crotalaria spectabilis contre le flétrissement bactérien (Ralstonia solanacearum) de la pomme de terre dans la zone de Betafo

Andriamiarisoa Lovaniaina Dinanirina, Fanjaniaina Chantal, Tendro Radanielina, Nirina Rakotoarimanga, Volatsara Baholy Rahetlah

236 Eto Madagasikara, ny aretina fandazo mpahazo ny voly ovy any amin’ny toerana famokarana azy, izay vokatry ny fitambaran’ny bakteria atao hoe Ralstonia solanacearum dia anisan’ny aretina miteraka fahavoazana be indrindra ho an’ny famokarana sy ny kalitaon'ny voly ovy indrindra eny an-tanety anaty fotoam-pahavaratra. Ny andrana natao dia mifantoka amin’ny fampivadiana ny voly ovy amin’ny voly rakotra legiominezy Crotalaria spectabilis ho enti-miady amin'ny fandazo. Izany andrana izany dia natao tao amin'ny faritra roa tao amin'ny distrikan'ny Betafo, ao amin'ny faritry Vakinankaratra.Ny vokatry ny fikarohana dia naneho fihatraikan’ny fampivadiam-boly amin’ny fampitomboana ny vokatra ovy manontolo hatramin’ny 129% sy ny vokatra ovy azo amidy hatramin’ny 114% ary ny fampihenana ny tahan’ny fandazo hatramin'ny 71% sy ny tanjakan’ny fandazo mitranga eo amin’ny voly ovy hatramin'ny 63%. Crotalaria spectabilis, fiadiana ara-pambolena, fahatantesana aretina, fambivadiam-boly, fandazo, ovy, Ralstonia solanacearum,

Tenizaha:Crotalaria spectabilis, fiadiana ara-pambolena, fahatantesana aretina, fambivadiam-boly, fandazo, ovy, Ralstonia solanacearum

18/01/2024