Aliments à risque à Madagascar.

Joely Nirina Rakotovao Ravahatra,Zafindrasoa Domoina Rakotovao-Ravahatra,Jean Roger Emile Rasoarahona,RAMANOELINA Armand René Panja,Gailor Razafimamonjison,Felah Rasoarahona

235 Hita amin’ity fanadihadiana ity fa ny sakafo atahorana eto Madagasikara, eo anelanelan’ny taona 2019 sy ny faran’ny volana septambra 2020, dia ahitana ireo izay mifototra amin’ny saosy « mayonnaise » (69,98% ny TIAC), voapoizin’ny Salmonella, izay ny atody no fototry ny loto. Ankoatra izany, ny fihinanana sokatra an-dranomasina (50,93% ny ICAM) dia miteraka ny chélonitoxisme na ICAM noho ny fahapoizinana ara-tsakafo avy amin’ny biotoxine an-dranomasina. Noho izany dia tokony hamafisina ny antoka ara-pahasalamana sy ny kalitaon'ny sakafo avy any an-dranomasina sy/na avy any an-tsaha sy/na avy any an-toeram-pambolena, manerana ny rojo sandan'ny sakafo, mba hiantohana ny fiarovana ara-tsakafo sy ny fanjarin-tsakafo, hampiroboroboana ny fambolena maharitra sy ny fahasalamana ho an’ny rehetra amin’ny sokajin-taona rehetra, ary hahatratrarana ny tanjon’ny fampandrosoana maharitra amin’ny taona 2030.

Tenizaha:famakafakana, sakafo, Salmonella, chélonitoxisme, Antoka ara-pahasalamana

14/12/2023