KOBAN-JAZA NOATSARAINA TAMIN’NY AKORA MISY ANY AMIN’NY FARITRA MENABE

ANDRIAMANIVO Mianina, RAZAFINDRAZAKA Vonimanitra, RANDRIANARIVO Hanitra Ranjàna, RAZANAMPARANY Julia Louisette, HARIMALALA ANDRIAMBELO Nirina

234 Hahafahana manolo ny voamadinika izay akora fototra nanamboarana koban-jaza, dia namelabelatra koba hahafahana manome lanja ny voantsoroaka na Vigna radiata mitsimoka. Ny fampitomboana ny harenan’izany dia amin’ny alalan’ny fanampiana akora izay hita any Menabe toa : katsaka, voanjo, vomanga nofo volom-boasary, ary zà. Ny fizahana ara-pizika sy ara-tsimika dia nanambara fa ny gliosida sy ny protida ao anatiny dia manaraka ny fenitra eto an-toerana (BNM, 2023) sy iraisam-pirenena (Institute of Medicine, 2000 sy WHO, 2002) ka noho ny fanampiana voanjo dia niakatra ny tahan’ny menaka tao aminy. Na teo aza ireo dingam-pamokarana samihafa, mifanaraka amin’ny fenitry ny BNM sy ny OMS ny herin-kanina ao anatiny toa : ny fosfora, potasioma, ny varahana, ny manezioma ara ny manganeza. Noho ny fampitsimohana, dia misy asa aro-arafesenina ao aminy ho tombony ho an’ny fahasalamana sy hiaro amin’ny fahanterana. Nandritra ny fanandramana, 65% ny reny dia afa-po tamin’ny loko marevaka, ny tsiro, ny fahatsapana ary ny fofon’ilay koban-jaza.

Tenizaha:voantsoroaka, fitsimohana, koban-jaza, lanjam-panjariantsakafo, asa aro-arafesenina, fanandramana

23/11/2023