Notions de Tanindrazana en Imerina à travers l’histoire

Ramisandrazana RAKOTOARISEHENO

233 Mamy ho an’ ny Malagasy rehetra ny hatao hoe tanindrazana. Hevitra maro, ary tantara maro no fonosin’izany foto-kevitra izany. Ny fahafantarana ny tantara tranainy no ahalalana, fa niovaova ny toerana natao tanindrazana araka ny politika-panjakana nampiarin’ireo mpanjaka fahiny, hitondrana sy anampariahana ny fokonolona isan-karazany. Betsaka amin’ny taranaka ankehitriny no tsy maha fantatra an’izany intsony. Ny tantara anefa, dia milaza fa ny tsirairay avy dia nanana tanindrazana maro, izay nateraky ny fifindramonina tany aloha tany,manarakany didi-mpanjakana. Ny vela-kevitra izany dia fampahafantarana an’izany, ka tokony hahamafy orina ny firaisankina sy ny fifanomezan-kasina hatrany, ahazoana manangana firenena.

Tenizaha:

23/11/2023