UNE FORME DEDEMOCRATIE PERTINENTE POUR LE DEVELOPPEMENT SOCIO-ECONOMIQUE DE MADAGASCAR

RASOLONJATOVO Sandratriniaina Clara

231 Amin'ny heviny malalaka, ny demokrasia dia "rafitra politika izay ahafahan'ny olom-pirenena rehetra mandray anjara amin'ny fanapahan-kevitra ho an'ny daholobe sy amin'ny fiainana ara-politika eo anivon’ny fiarahamonina." Izy io koa dia "endrika governemanta izay an'ny vahoaka ny fiandrianam-pirenena". Amin'ireo heviny ireo, ny demokrasia dia midika hoe fisian'ny fahatontosan’ny fanjakam-bahoaka. Amin’ity tranga ity, ny fampahombiazana ny fanjakam-bahoaka dia mifahatra amin'ny tohana roa: "tohana havanana sy tohana ankavia". Ny tohana havanana dia mikendry ny fampidirana tanteraka ny vahoaka amin'ny fitantanana ny Fanjakana, raha ny tohana ankavia kosa dia mahakasika ny fe-petra ampiarahina, miantoka ny fampandehanana io fidiran’ny vahoaka an-tsehatra io. Modely amin'ny demokrasia mivantana izy io, miompana amin'ny vokatra azo. Ny vokatra tsirairay dia mifanaraka amin'ny tondro iray farafahakeliny. Voarafitra amin’ny tanjona telo ny tohana ankavanana dia ny: "Famenoana ny filana fototra ara-tsosialy, famohazana ny fahavitrihan’ny fiaraha-monina ary koa ny fandraisan'ny vahoaka anjara amin'ny fanapahan-kevitra momba ny fanarenana ara-toekarena". Ny hany tanjona amin'ny tohana ankavia dia ny hanangana rafitra mpanampy. Ny tanjona tsirairay dia mifanitsy amin'ny: ireo hetsika mifandraika, ireo fomba fanatanterahana, ireo vokatra andrasana miaraka amin'ny tondro refy sy tondro fanamarinana.

Tenizaha:porofo ara-tsosialy, fahatokisana, fidirana an-tsehatra, tomban’ezaka

13/07/2023