Ny endrika marolafin’ny herisetra tarafina ao amin’ny Boky "Mitaraina ny tany" nosoratan’i Andry Andraina

RAKOTOMAHAFALY DINASOA Fehizoro Hercule Donnël

217 Tranga fahita matetika saika isaky ny seha-piarahamonina misy manerana izao tontolo izao ny herisetra. Manomboka amin’ny sehatra madinidinika toy ny tokantrano, ny toeram- pianarana/toeram-piasana sy ny toy izany izany ary miitatra hatrany amin’ny sehatra goavana toy ny faritra sy/na firenena iray na maromaro mihitsy aza. Endrika maro samihafa no isehoany amin’izany, endrika izay mazàna no tsy heverin’ny olona ho herisetra intsony ny ankamaroany noho izy ireny efa zary lasa tranga mahazatra sy fahita matetika. Maro anefa ny voka-dratsin’ny herisetra. Mety hahazo ny tsirairay rahateo izany, hany ka mila ny ezaky ny rehetra ny fiadiana amin’izy io. Olana goavana setraina amin’ny fanatanterahana izany ady izany koa anefa amin’ny ankapobeny ny fanaovan’ny olona odian-tsy fantatra na ny tsy fahafantaran’izy ireo mihitsy ireo endrika marolafy isaloran’ny herisetra. Izany indrindra no antony nanosika anay hanao izao asa fikarohana manaraka izao izay mifototra amina asasoratra iray izay mivoy tanteraka ity lohahevitra ity. Tanjon’izao asa izao araka izany – ho fandraisanay anjara biriky amin’izany ady iombonana izany andaniny sy ho fanampiana ny rehetra ihany koa mba tsy ho diso fahavalo hiadiana ankilany - ny hanala sarona ny herisetra amin’ny alalan’ny famakafakana famaritana ireo tranga isan-karazany voatanisa ao anatin’ity sangan’asa ity mbamin’ireo antony maro nahatonga azy ireny.

Tenizaha:herisetra, endriky ny herisetra, ady amin’ny herisetra, literatiora

04/01/2024