Recherche-action et foi sociale : quels apports dans le processus de développement ? Cas de localité de Tsihombe (au Sud de Madagascar).

RANAIVONIARIVO Tiana Alisoa; RABEHARISOA Lilia

213 Ity lahatsoratra fikarohana ity dia ahafahana maka lesona avy amin’ny asa fampandrosoana nataon’ny FJKM Atsimon’Imahamasina any Tsihombe, izay isan’ny faritra mahantra indrindra eto Madagasikara. Na dia tetikasa nakana ny hevitry ny olona maro nandritra ny atrik’asa fanangonan-kevitra ary no natao teo ampanombohana tamin’ny 2014 dia tsapa tamin’ny tomban’ezaka dimy taona aty aoriana fa tsy narisika ny mponina ary niraviravy tanana tsy nandray anjara mavitrika tamin’ny asa fampandrosoana izay niarahana namaritra. Azo lazaina fa tsy nahomby ny tetikasa natao. Ny tsy fahombiazana hita tany an-toerana dia nanova ny lalan-tsaina hampiasa ny « Asa Karoka ombam-pampiharana » miaraka amin’ny fananana « finoana iombonan’ny mpiara-monina » mba ahafahana manao asa karoka iombonana andraisan’ny maro anjara ho amin’ny tena fampandrosoana ny olona rehetra sy ny olona manontolo. Ny fanavaozana ny lalan-tsaina dia nahafahana niroso ho amin’ny tena fampandrosoana holistika. Efa hita sy tsapa sahady ny vokatra azo tamin’ny fampiarahana ny asa fitoriana ny Filazantsara sy ny asa fampandrosoana any Tsihombe. Ny mponina ao an-toerana ary indrindra ny Vondron’olona kristiana Ifotony dia mavitrika kokoa ary manomboka mahatsapa ho tompon'andraikitra amin'ny fampandrosoana ny faritra mifanaraka amin’ny tontolo misy any an-toerana, amin'ny alàlan'ny ezaka ataony sy ny fanetsehany ny loharanon-karena ananany.

Tenizaha:Fiangonana, Asa Karoka ombam-pampiharana, Finoana iombonan’ny mpiara-monina, Fampandrosoana holistika, Tsihombe

14/12/2023