RÉGIS RAJEMISA-RAOLISON, MPANORATRA NANDALINA SY NAMPITA NY FOMBA AMAM-PAHENDRENA MALAGASY

RAKOTONDRAVAO Andrianantenaina

212 Mpanoratra malagasy nisongadina i Régis Rajemisa-Raolison. Nampiavaka azy ny fanoratana boky fampianarana ny fitsipi-pitenenana malagasy, rakibolana ary boky momba ny fomba amam-pahendrena malagasy. Hita tamin’ireto asa sorany farany ireto ny fahaizany mampita izany fahendrena mampiavaka ny razantsika izany ka tokony hotazonin’ny taranaka ankehitriny. Ny boky roa nosoratany mba hampianarana ny fomba malagasy ao amin’ny kilasy faha-6 hatramin’ny faha-3, izay tafiditra tao amin’ny fandaharam-pianarana tamin’ny Repoblika voalohany sy faharoa, dia ahitana taratra izany fahaiza-manao izany. Ny tanjona amin’ity asakaroka ity dia ny fanasongadinana ny fomba fiasa sy fampitan’ny mpanoratra fahalalàna amin’ny mpianatra malagasy. Nofakafakaina sy nohalalinina ary naravona ireo lesona nampitaina isa-kilasy mba hahafahana mahita ny hevitra navoitran’ny mpanoratra. Tena nahaliana ny fomba nampitany izany ao amin’ireto boky ireto: - " Fomba amam-pahendrena malagasy. Kilasy faha-6 sy faha-5 " - " Fomba amam-pahendrena malagasy. Kilasy faha-4 sy faha-3 "

Tenizaha:Rajemisa-Raolison, boky fampianarana, malagasy, fomba amam-pahendrena

07/12/2023