Enjeux de l’interculturalité et développement urbain. Cas de la Ville d’Antsiranana.

SOLO Serge

200 Miteraka resabe ny “urbanisation” any amin’ireo firenena an-dalam-pandrosoana toa an’i Madagasikara ary mendrika hodinihina lalina amin’izao fotoana izao, indrindra amin’ny lafiny fampandrosoana ny tanàn-dehibe. Eto Madagasikara, ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe dia lohahevitra mafana izay mbola tsy voaresaka tsara. Raha mitombo haingana ny mponina an-tanàn-dehibe ary ny olana ara-tsosialy, kolontsaina ary ekonomika isan-karazany dia mampihena ny fari-piainana an-tanàn-dehibe. Mampiavaka an’Antsiranana, renivohitry ny Faritra DIANA, ny fahantrana lalina. Amin’izao fotoana izao dia toa vahaolana tsara kokoa ny fampiroboroboana ny “interculturalité” mba hahafahana mamelona indray ny fiaraha-mientana amin’ny fihetsika sy ny eritreritra izay nampihetsi-po hatrany ny fiara-miaina malagasy. Ity fifandraisana ity dia hiezaka ny hampiseho fa ny fananganana rafitra ara-tsosialy sy kolontsaina vaovao, izay atao hoe “interculturalité”, dia fomba iray manan-danja sy mahomby amin'izao fivoaran’ny tanàn-dehibe sy ny fanatontoloana ankehitriny. Noho izany, ny “interculturalitté” dia mety ho fitaovana lehibe ho an'ny fampandrosoana ny tanàn-dehibe.

Tenizaha:accouplement culturel, diversité culturelle active, synergie d’actions, communautarisme

15/09/2023