Compréhension de la mémoire collective véhiculée par le Swahili en vue de la résurgence des richesses interculturelles : Région Nord de Madagascar.

RAZANAMANANA Marie Jeanne;RAMAVONIRINA Oliva;RABENALISOA RAVALITERA Jean

198 Araka ny toerana misy azy eo amin’ny lafiny jeografika ankoatra ny fisiana ethines maro tany dia faritra nivelaran’ny teny kiswahili ny faritra avaratra ary nampiasaina ho fitaovam-pifandraisana amin’ny fiainana andavanandro izany teo anelanelan’ny taon-jato faha -XIV ka hatramin’ny faha- XVII. Vokatr’izay fotoana ela nifampikasohan’ny teny malagasy sy swahili izay dia nisy akony teo amin’ny teny malagasy nifanakalozana tany amin’iny faritra avaratra iny ny teny swahili. Saingy noho ny rivotry ny fanjanahan-tany nitopa mafy tany amin’iny faritra avaratra iny dia ny fampiasana voambolana frantsay sy ny fomba fiaina frantsay no tsapa ka zary itodihana raha Diego no resahina, izay endrika ivelany izay, resy tosika ny fahalalana momba ny swahili izay teny tena ao anatin’ny teny malagasy aty avaratra, izay mitahiry sy mampita ny fanao eo amin’ny fifandraisana sy tena nanome endrika ny fiteny avy any avaratra raha tsy hilaza afa tsy izay hany ka hatreto rehefa miresaka ny fiavian’ny teny malagasy ny mpikaroka dia ny maha teny austronésien azy irery ihany no arangaranga kanefa miharihary ohatra ny tafika eo an-drefan-tanàna fa tsy ny teny austronésien fotsiny no tokony horesahina raha ny fiavian’ny teny malagasy fa eo koa ny teny kiswahili izay nanome endrika ny fiteny any avaratra ka mendrika hotrandrahina misimisy kokoa. Manana anjara toerana lehibe noho izany ny tadidy iombonana an’ity faritra avaratra ity hanarenana ny lesoka eo amin’ny fomba fijery ny fiavin’ny teny malagasy ho amin’ny fampandrosoana.

Tenizaha:

15/09/2023