Espace géographique et aménagement linguistique à Madagascar.

JAOFETRA TSIMIHATO;RAZANAMIENTANA Anderdélicot;RABENALISOA RAVALITERA Jean

197 Ny teny malagasy ankehitriny dia tsy manaiky loatra ny fandikam-peo, izay tsy hita (na tsy misy) amin’ny fiteny merina izay niforona tamin’ny 1826. Kanefa isaky ny faritra jeografika eto amin’ny Nosy lehibe Malagasy dia samy manana ny maha-izy azy. Ohatra, ny faritra afovoany any ambony dia tsy manana velively ny fifandraisana mivantana amin’ny ranomasina. Noho izany ny voambolana rehetra mikasika ny ranomasina sy ny asa mifandraika amin’ity tontolo miavaka ity sy ny asa momba ny ranomasina dia tsy misy any / ao velively. Toy izany koa tsy any amin’ny tanàna ao amin’ny lemaka na lembalemban’Ihorombe no hakana ny voambolana mikasika ny faritra ambony na ireo entina ilazana ny momba ny ala mikitroka. Toko tapaka vilany mitongilana izay tsy mety arenina. Mba haha-ofisialy ny teny iray dia tokony miforona avy amin’ny fitenim-paritra rehetra tsy misy havakavaka, eto amin’ny firenena izy. Tokony havondrona daholo mba hanabevoho izay ekena ho tenim-pirenena ireo fitenim-paritra. Ny fahasamihafana ara-jeografika sy ny fomba amam-panao no tokony entina ho fitaovana mahomby eo amin’ny fananganana ny tenim-pirenena. Izany fomba izany ihany koa no entina hampahombiazana ny firaisan-kinam-pirenena.

Tenizaha:Madagasikara, fandrindran-kaiteny, fiteny, fanatontoloana

15/09/2023