Plurilinguisme: interrelations entre le niveau social et les représentations linguistiques (cas de Mahajanga).

ASSOUMACOU Elia Béatrice;KASSAM Hervé

195 Ny fahasamihafana ara-tsosialy dia lafin-javatra tokony hodinihina amin’ny fandalinana ny fiteny. Samihafa arakaraka ny sarangam-piaraha-monina ny fiteny.. Ity lahatsoratra ity dia natao mba hanasongadinana ny fomba fiteny mahomby, ny fanehoana sy ny fifandraisana misy eo amin’ny tsy fitoviana ara-tsosialy sy ny fahatakarana ny fimaroanteny. Misafidy ny « tontolon’ fiteny » ho fomba fiasa ara-teorika isika satria ny fandalinana, ny fifandraisan’ny fiteny sy ny firaha-monina no vontoatin’ny fikarohana eto. Voamarika ny tsy fitovan-kevitra momba ny hevitra momba ny ny fiteny sy ny fomba fiteny nataon’ireo olona nanaovana fanadihadiana izay avy amin’ny faritra an-tanàn-dehibe sy manodidina. Izany rehetra izany dia nahafahana nahazo vokatra azo tsapain-tanana. Mba entina mamaha ny fitotongan’ny rafi-panabeazana dia tsy maintsy mitodika ny toe-javatra misy ankehitriny isika ary mandray fepetra matotra mba hamaly ny filan’ny fiaraha-monina sy ahafahana mivelona manoloana ny fanamby apetraky ny fanatontoloana. Ireo fiteny dia maneho ny fahombiazana amin’izao tontolo izao satria manamrika ny fahombiazan’ny fanatontoloana.

Tenizaha:fimaroanteny, fomba fiteny, fiarahamonina, faritra antanàn-dehibe, faritra manodidina, rafi-pampianarana

15/09/2023