Les potentialités socio-économiques des Régions de SAVA et DIANA pour le développement de Madagascar.

RASOLONJATOVO Sandratriniaina Clara;RABOTOVAOARINOSY Paliara

192 Feno harena voajanahary ny Faritry SAVA sy DIANA izay ahafahana manamafy ny fampandrosoana manokana ireo faritra ireo sy ny fampihenana ny fahantrana eto Madagasikara. Izy ireo dia sokajiana ho loharanon-karena an-tanety sy an-dranomasina, ka anisan’izany: ireo tahirin-javaboahary, ireo tany mety ho an’ny fambolena, ireo fari-dranomasina manodidina...izay tsara tokoa ho an’ny fampandrosoana ny sehatra - jono - fizahantany - fambolena. Tondro zotra voafaritra maromaro no naseho araka ny tatitra ara-toekarena nataon'ireo mpikaroka sy manampahaizana manokana, ho fanavaozana hanarenana ny toekarena ka ny mampiavaka ity asantsika ity amin’ireo dia noho izy miompana indrindra amin'ny fambolena sy ny jono. Ny anton’io safidy io dia satria ny 86%-n’ny mponina ao SAVA dia saiky miompana indrindra amin’ny fambolena sy ny jono ary ny fihazan-tany avokoa, ary ny 80%-n’ny mponina ao amin’ny faritr’i DIANA kosa indray dia mifototra manokana amin’ny fambolena. Ny tanjonay eto dia ny hanasongadinana ny anjara birikin’ny olom-pirenena, ho fandraisana anjara lehibe amin’ny fampandrosoana ara-tsosialy sy ara-toekarena eto Madagasikara. Ireo fomba nosafidiana hanatontosana ny fikarohana dia miompana indrindra amin’ny: ny fandraisana anjaran'ny tsirairay izay miainga eo anivon’ny fiaraha-monina fototra, ny fampiarahana ny fanao nentim-paharazana sy ny traikefa amin'ny fampiharana ny teknika maoderina, ary koa ny fampiasana ny NTIC hanafaingana ny fikirakirana ny loharanom-baovao mba ahazoana mamoaka vokatra sy mandray fanapahan-kevitra, eo ihany koa ireo tahirin-kevitra, ary koa ny fanohanana eo amin'ny lafiny fanatanterahana dia anisan’ireo fitaovana ilainaavokoa. Ny vokatra andrasana ary dia mahakasika ny fahatontosan’ny fampandrosoana iombonana miantraika mivantanaeo amin'ny faritra voasafidy ho amin’izany ka mba hanenika ny firenena iray manontolo, ary izany dia tsarain’ny kalitaon'ny toe-javatra iainan'ny fiaraha-monina.

Tenizaha:fampandrosoana ny tena, fahavitan-tena ara-tsakafo, fandriam-pahalemana, fiaraha-miasa, fikambanan-kery, fanatsofohana an-tsosialy

15/09/2023