Fitanisana ny matoanteny amin'ny teny malagasy

RANAIVOARISON Joro

19Ny Tsara dinihina akaiky ny momba ny fitanisana ny matoanteny amin'ny teny malagasy mba hianarana any an-tsekoly. Mbola tsy ampy taonjato iray akory no nandinihana ny teny malagasy amin'ny fomba siantifika ary tsy mbola nisy nandrafitra ny fitanisana io teny io koa ny mpialoha lalana rehetra. Tsy misy boky mirakitra manontolo ny fitanisana fa fandinihana ankapobeny momba azy no natolotr'ireo mpanao fitsipiteny nentin-drazana sy mpahay haiteny. Momba ny fitanisana ny matoanteny amin'ny teny malagasy àry ity velakevitra ity. Fanasokajiana mifototra amin'ny fisian'ny fiendrika no arosonay. Mizara efatra ny matoanteny: ireo izay tsy manana ny fiendrika iharanampandray (-ina/-ana) sy ataofitaovana (a-) antsoina hoe matoantenin'ny sokajy voalohany; ireo izay manana ny fiendrika ataofitaovana fa tsy manana ny fiendrika iharanampandray atao hoe matoantenin'ny sokajy faharoa; ireo izay manana ny fiendrika iharanampandray fa tsy manana ny fiendrika ataofitaovana, (matoantenin'ny sokajy fahatelo); ary farany ireo izay manana ny fiendrika iharanampandray ary ataofitaovana, antsoina hoe matoantenin'ny sokajy fahefatra. Ny fomba fiasa ampiasaina dia ny an'ny mpahay rakibolana elektronika araka an'i Gross (1989). Mamahavaha momba ny sary sy kilasim-pitanisana, ny matoanteny tsy manara-pitsipika sy tsy ampy endrika koa ny velakevitra.

Tenizaha:Matoanteny, fitanisana, sokajim-pitanisana, matoanteny tsy manara-pitsipika, matoanteny tsy ampy endrika

02/12/2021