Le football professionnel à Madagascar : problèmes et perspectives.

Heriniaina RAJOELISON

189 Ny taona fito ambiefapolo sy sivanjato sy arivo no nandraisan’ny ekipa Malagasy voalohany anjara lalao iraisam-pirenena eo amin’ny tontolon’ny kitra. Efa-taona lasa izay dia niova endrika ho lasa matihanina ny rafitra fifaninanana hiadina ny ho tompondakan’i Madagasikara sokajy fizarana voalohany eo amin’ity taranja ara-panatanjahantena ity. Tomombana araka ny tokony ho izy ve ny fametrahana izany rafitra izany? Nijery ireo raki-kevitra maro samihafa isika, nanao fikarohana ara seho sy bika teo amin’ireo mpilalao, mpanazatra, mpitantana ny tarika ary ny tompon’andraikitra isan-tsokajiny: ny Minisitera, ny federasionina. Tsapa fa nanomboka nisy ny fihovana eo amin’ny lalao iraisam-pirenena. Na izany aza dia tsy mbola tomombana ny rafitra matihanina eto amintsika. Maro ny mpiantsehatra tsy voakarakara, ny tambin-karama, ny fiahiana ara-sosialy. Nisy hatrany ny olana ara-bola.Tokony hapetraka ny rafitra matihanina eo amin’ny fampandehanan-draharaha, ny rafi-pitantanana, ny fifampifehezana, ny asa atao rehetra momba ny kitra sy ireo voakasika izany na ankolaka na mivantana. Raha tomombana izay rehetra izay, mety hampivoatra ny toe-karena eto amin’ny firenena ve ny matihanina eo amin’ny tontolon’ny kitra?

Tenizaha: Matihanina - kitra - Federasionina

15/09/2023