Tanjaka ara-tsakafon’ny lafarinin’akondro nangonina tao Anivorano Avaratra ary fampiasana azy mba hanamboarana ny sakafon-jaza

RANJANIRINA Anna Eléonore;RANDRIANANTENAINA Antoni;RAZAFIMAHEFA

188 Ny tanjona ankapoben’ity fikarohanay ity dia ny mba handray anjara amin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafon-jaza eto Madagasikara. Ny tanjony manokana dia ny hanombanany tanjaka ara-tsakafon’ny lafarinin’akondro nangonina tao Anivorano Avaratra sy ny hampiasa io lafarinina io amin’ny fanamboarana ny sakafon-jaza antsoina hoe « Mamparisika ». Fitaovana sy fombamaro no nampiasaina mba ahafahana mamantatra ny toetran’ny lafarinin’akondro novokarina sy ilay lafarinin-jaza namboarina. Ao anatin’ny 100 g amin’io lafarinina « Mamparisika » io dia zavatra telo, izay samy manana ny lanjany, no nampiasaina: lafarinin’akondro milanja 57,96 g, patim-boanjo milanja 25,84 g ary vovo-dravin’Ananambo milanja 16,20 g. Io lafarinina « Mamparisika » namboarina io dia afaka manome angovo azo ampiasain’ny vatana 379,61 kcal/100 g, izay 10% dia avy amin'ny proteinina, 30% avy amin'ny lipidia ary 60% avy amin'ny gliosida. Noho izany dia manaja ny fenitra takiana ary mamaly ny filana ara-tsakafo tokony ho an’ny zaza 6 ka hatramin'ny 24 volana izy.

Tenizaha: Tsy fanjarian-tsakafon-jaza, Akondro, Ananambo, Patim-boanjo, Fanampin-tsakafo, Lafarinin-jaza, Anivorano Avaratra.

15/09/2023