Ny akon’ny maha izy azy ny mpitondra, lehiben’ny orinasa, malagasy eo amin’ny fampiharana ny fandraharahana

TSISAROTINA Maminiaina;RASOAMPARANY Jean Marie Hervé

186 Ao amin'ny tontolon'ny fandraharahana somary sarotra, ny mpitarika dia mikatsaka fahombiazana na dia eo aza ny fanamby amin'ny fitantanana, mampametra-panontaniana ny fiantraikan'ny toetran'ny mpitarika amin'ny fahaiza-mitantana. Ity fanadihadiana ity dia mikaroka io fifandraisana io amin'ny alàlan'ny fanadihadiana natao tamin'ireo mpitantana dimampolo (50) teto Madagasikara mba handinihana ny fomba fifamatoran'ny toetra manokana sy ny fomba fitantanana. Ny tanjona dia ny mba hampiseho ny fifandraisana mavitrika eo amin'ny toetran'ny mpitarika sy ny fahaiza-mitantana, amin'ny sehatra ara-barotra manokana indrindra fa ny eto Madagasikara. Ity fanadihadiana ity dia mamahavaha sy mampahafantatra ny fomba ifandraisan'ny toetra voajanahary ananan'ny mpitarika iray, toy ny maha izy azys, ny traikefa ary ny fomba fitarihana amin'ny fahaizany mitantana. Amin'ny alalan'ny famotopotorana io fifampiraharahana sarotra io, dia mikatsaka ny hamoaka ireo rafitra an-kolaka izay misy fiantraikany amin'ny fahafahan'ny mpitarika iray miatrika ireo fanamby manokana amin'ny fitantanana eto Madagasikara izy. Ity famakafakana ity dia afaka manazava ny fifandraisana sarotra misy eo amin'ny toetran'ny mpitarika sy ny fahombiazan'ny fitantanana.

Tenizaha:

15/09/2023