DIVERSITE DES INVERTEBRES MARINS ET LEURS DISTRIBUTIONS. Etude effectuée dans la zone Nord-Ouest de Madagascar.

GASIMANDOVA LAHITSIRESY Max;BENATREHINA Annelie Justine;MARA Edouard REMANEVY

182 Ity fikarohana ity dia nontanterahina tany amin’ny faritra Diana, any avaratr’i Madagasikara. Ny tena tanjony dia ny hanehoana ny fahasamihafàna sy ny fitsinjarana ireo biby, tsy manana hazon-damosina, an-dranomasina. Mba hanatratrarana io tanjona io dia nametraka tanjona telo manokana : voalohany, mamantatra ny karazana biby isakin’ny vondrona taksonomika tsirairay eo amin’ireo faritra 4 samy hafa, mamantatra ny mety ho fiovaovana hisy manoloana ireo toerana nanaovana ny fikaroana ho an'ny vondrona taksonomika rehetra ary koa ny karazana biby isaky ny vondrona tsirairay, ary mamantatra ihany koa ny fizarana ny santionany araka ny halaliny ny rano. Mizara efatra ny ivo-toerana nangalana ny santionana, izay mizara toerana maro notsinjarana amin’ny halaliny roa samy hafa (P2: 20 hatramin'ny 40 metatra sy P3: 40 hatramin'ny 60 metatra). Ny fanaovana santionany dia nataon'ireo mpanirika manana fitaovana hoentina misitrika any anaty rano, ka ny fangalana ireo santionana dia amin'ny alàlan'ny tanana sy mifantina. Ny valin'ny fanadihadiana dia nampiseho fa ny sponjy sy ny vatohara manana karazany maro kokoa (Shannon-Wiener indice> 2,8), raha hoarina amin’ny tunicier sy akorandriaka (Shannon-Wiener indice <2,3). Manambara ihany koa ny valin’ny fikarohana fa tsy mbola voafaritra tsara ny harenan'ny taksonomika ho an'ny vondrona tsirairay ao amin'ireo toerana efatra. Ny famakafakana an’ireo vondrona tsirairay no nahafantarana fa mivondrona ao afovoan’ny sary ny toerana Ambavanibe (P2), Diego (P2 sy P3), Mangoaka (P3) ary Voltigeur (P2 sy P3) noho ny fahamaroany sy ny harenan’izy ireo izay ambony. Tetsy ankilany, nihataka antsisin’ny sary kosa Ambavanibe (P3) sy Mangoaka (P2) noho ny fahamaroan’izy ireo nefa ny harenan’izy ireo ambany. Mikasika ny fitsinjaran’ireo biby manoloana ny halaliny, ny sponjy no tena nanjaka teo amin'ny P2 sy P3, ary hita matetika kokoa amin'ny halalin'ny 20 ka hatramin'ny 40 metatra. Ny harenan'ny taksonomika dia tsy nampiseho fahasamihafana lehibe teo amin'ireo kilasy lalina roa, afa-tsy ny akorandriaka sy ny tunicier.

Tenizaha:

15/09/2023