Recherche océanographique dans le Nord deMadagascar.

MARA Edouard REMANEVY;AlyBachiry ADOUHOURI

181 Ny ivotoera-mpikarohana C.N.R.O. dia nosokafana ny 04 Aprily 1977 tamin’ny alalan’ny didim-panjakana laharana 077-081 ary manana endrika indostrialy sy varotra. Izy ireny no ivotoera-mpikarohana eo ambany fiadidian’ny Ministera ny fampianarana ambony sy ny fikarohana siantifika izay miorina any amin’ny faritra. Misy sampana any Vangaindrano 11 izao ny isan’ireo Tale nifandimby nitantana ny C.N.R.O. Mamolavola sy mampihatra ny politika nasionaly momba ny fikarohana siantifika any anaty ranomasina, fitehirizana sy fiarovana ny tontolo iainana ny ranomasina. Mampita malalaka ny teknolozia avy lenta ho entina mampandroso ny asa atao eny amorontsiraka sy eny amin’ny ranomasina. Ny samapandraharaha misahana ny administration sy ny ara-bola, ny fitaovavam-pikarohana samihafa, ny fitehirizam-boky ary ny mozea dia mifarimbona miaraka amin’ny departemanta fikarohana. Amin’izao fotoana izao dia 20 ny isan’ny mpikaroka ary 47 ny mpandraharaha, miaramisalahy manatanteraka tetikasa miisa 15. Tamin’ny taona 1955 no nisokatra ny mozea momba ny ranomasina ary mandray mpitsidiaka mihoatra ny 600 isan-taona. Ny zava-misy ao dia nalaina daholo teny amin’ny manodidina ny ranomasina ny Nosy Be. Amin’izao fotoana izao dia mampiantrano sampam-pianarana manokana momba ny siansa sy teknolojia ny C.N.R.O.

Tenizaha:

15/09/2023