L’impact de la colonisation dans la province de Diégo-Suarez.

HORACE Gatien

180Ny Talohan’ny naha-zanatany frantsay an’i Madagasikara, ny tendrony avaratry ny Nosy izay mamaritra ny faritany Antsiranana ankehitriny, dia niainan’ny mponina sady vitsy an’isa no mitsitokotoko, zara raha mifandray amin’ny faritra hafa sy ny any ivelany. Nihevitra ny fahefany ho tsy hanam-pahataperana ireo vazaha mpanjanaka ka tsy nikely soroka nametraka rafi-panabeazana sy fahasalamana tsara lenta sy nanorina fotodrafitrasa raitra: lalana, seranan-tsambo, seranam-piaramanidina, lalan-tariby fifandraisan-davitra, sns. Nisitraka ihany koa ny tombontsoan’ny fisokafana bebe kokoa amin’ny any ivelany i Madagasikara. Iaraha-miaiky fa tsy manonitra ny famonoan’olona, ny asa an-terivozona, ny fanaovana sesitany ary ny fanilikilihana ara-kolontsaina nianjady tamin’ny vahoaka Malagasy nandritra io vanim-potoana io izany; saingy sarotra kosa ny milaza fa tsarasara kokoa ny fiaimpiainan’ny mponin’ny faritanin’i Diégo-Suarez raha nitohy tsy tapaka ny fanjakana Merina.

Tenizaha:

15/09/2023