David Jaomanoro.

KOTOSON Cerveau

177Ny Tao anatin’ny lahatsorany no nilazan’i David Jaomanoro tamin’ny fomba mafonja , hoe : « Aleoko aho ho vonoiny ho faty tokoa , raha izay no porofo tadiaviny mba ahafantarany fa velona aho » (David Jaomanoro OC p374) Manoloana ny fifandraisany amin’ny fiaraha- monina , mbola mpandray anjara mavesa-danja ho amin’ny fiovana ve ny mpanoratra sy ny literatiora ? Tsy voafaritra akory hoe i David Jaomanoro no ho fanafody mahagaga hamerina amin’ny laoniny ny toe-tsaina efa lasa mandala tanteraka ny herisetra.Fa tsy anisan’ireo mpitazam-potsiny tsy manao n’inon’inona sy midonana-poana manoloana ny fivarian-davon’ny fihetsika sy fitondran-tena manodidina azy izy satria , mpiara-miombon’antoka tanteraka ny hanafoanana an’izany , no koa moa indraindray , mba misedra sy ianjandian’izay antsonjay izay koa. « Rehefa indro fa nandray anjara mavitrika tamin’ny fanapotehana an’izao tontolo izao tanatin’ny folo , eny, an-jato taonany mahery an’ity vahoaka ity ny teny frantsay , dia tsy manan-jo ny hiteny hoe hanalavitra azy » Arak’izay indrindra , tsy nionona ny ho anisan’ny mpandova fotsiny ny teny frantsay i David Jaomanoro, fa nampiasa n’izany ho fitaovam-pifandraisana mahery vaika , tamin’ny alalan’ny literatiora , satria tokoa mantsy ny teny frantsy no teny ofisialy fampiasa eto Madagasikara , izay firenena fihavian’ny mpanotra, no sady ihany koa fiteny fampiasan’ilay firenena hafa nandray azy ho zanaka , dia i Mayotte izany.

Tenizaha:

14/09/2023